Araraotina ny fotoana!


“Isika tsy maintsy manao ny asan’izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.”  (Jaona 9:4)

Jesosy eto dia mamaly ny fanontanian’ny mpianany ny amin’ilay lehilahy teraka jamba; ambarany fa ny hanehoana ny asan’Andriamanitra, fa tsy noho ny fahotan’ity lehilahy ity na ny ray aman-dreniny, no anton’izany fahaterahany jamba izany.

Misy fotoanany araka izany ny ahazoana miasa .

Ny antoandro no natao iasana, raha amin’ny mahazatra, fa ny fiasana amin’ny alina dia efa tsy fidiny araka ny fitenenana. Amin’ny asa maha olona tsotra, dia misy fotoana takian’izany asa izany!

“Fito-polo taona no andron’ny taonanay ary raha tahiny mateza aza, dia valo-polo taona.” (Salama 90:10) Voafetra na ny andro iainantsika eto an-tany aza.

Ny fahatanorana dia fotoana mampahatanjaka ny olona iray, ka tokony hanararaotra izany izy fa rehefa antitra dia efa voafetra ny asa azo atao noho ny hery efa mihakely.

Araka ny ambaran’i Jesosy eto dia sarobidy ny asan’Andriamanitra. Fa na dia ny fahaterahan’ity lehilahy ity jamba aza dia natao ho fanehoana ny asan’Andriamanitra. Fa na i Jesosy aza dia tsy mba nanana izay hipetrahan’ny lohany. (vakio Matio 8:20)

Misy tantara mirakitra ny fiainan’ny olona iray, ary eo akaikin’ny sariny dia misy lisitra iray mipetraka, ka ny lohatenin’izany lisitra izany dia izao: “Ireto no zavatra nokasainy hatao nefa  nindaosin’ny fafatesana izy ka tsy vitany.”

Tokony hahay hanararaotra ny fahavelomantsika isika amin’ny adidy izay omen’Andriamanitra eo anatrehantsika. Raha misy zavatra tokony hatao dia araraoty ny fotoana anaovana izany fa tsy hangatahan’andro.

Rehefa handeha hiakatra any an-danitra Jesosy, dia nanome baiko sy andraikitra ny mpianatra handeha hitory ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Asan’Andriamanitra lehibe tokoa izany, ary asa izay miantefa amintsika izay mpanaradia Azy ankehitriny koa.

“Fotoana inona” ary “toerana aiza” ? : ny fotoana rehetra, sy ny toerana rehetra dia tokony hanatanterahantsika izany asa fitoriana ny Filazantsara izany. Na amin’ny asa, na amin’ny teny, na amin’ny fitondran-tena, na amin’ny fahadiovana, na amin’inona na amin’inona ataontsika dia ahazoantsika mitory ny Filazantsara avokoa. Mandalo ny fotoana, tsy azo samborina ka aza avela handeha.

Mialoha izany mety ho fahavononanao hiasa izany anefa, dia ity misy fanontaniana : “Efa vita fihavanana amin’Andriamanitra ve hianao?”

Efa natolotrao an’i Jesosy ve ny fonao?

Famindrampon’Andriamanitra ny mbola ahavelomanao na dia amin’ity anio ity ihany aza. Fantatrao ve fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka ? (vakio Romana 2:4)

Mety misy nataontsika nahatonga ny fisarahantsika tamin’Andriamanitra, ary nampangatsiaka ny finoantsika Azy. Nisy fahotana nahatonga ny fisarahantsika taminy. Mety heloka bevava ve izany? Raha mbola novelominy hianao, izay mamaky izao teny izao, dia tsarovy fa faharipon’Andriamanitra ho anao izao. Anio! Fa tsy indray andro any, na andro-any (efa lasa)! Anio raha ihaino ny feony hianao, Aza manamafy ny fonao! (vakio Hebreo 3:15)

Anio raha mbola nomen’i Jesosy tànana afaka hanampy ny havanao na ny namanao ianao, aza akombona izany tananao izany, fa hain’Andriamanitra ny manakombona izany mandrakizay.

Aza manamafy ny fonao!

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: