Marina amin’ny ataony Andriamanitra


” Tsy mahazo manao izay tiako amin’ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho? Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.” Matio 20:15-16

Mialoha izao teny izao dia nisy fanoharana nataon’i Jesosy amin’ny fanjakan’ny lanitra, dia ny amin’ilay lehilahy tompon-trano izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any amin’ny tanim-boalobony. Ny karama nifanarahana dia denaria isan’andro, ny zavatra nanafintohina ny mpikarama sasany anefa dia ny tsy fiovan’io karama io araka ny fotoana niasana: na ny niasa elabe, na ny niasa vetivety dia nitovy ihany ny karama.
Raha dinihina izany tantara izany dia toa misy tsy fahamarinana teo amin’ilay tompon’ny tanimboaloboka mpanakarama satria tokony araka izay fotoana niasana no hanomezana karama. Ary izany fiheverana izany no nahatezitra ny mpikarama sasany.
Izao tantara izao anefa dia fanoharana ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, izay azo lazaina amin’ny teny hafa hoe fanajakan’Andriamanitra, na koa hoe fiainana mandrakizay… Voamarina amin’ny Teny voalaza ao amin’ny Efesiana koa anefa izany: “Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.” Efes.6:8-9a. Ilay mpanakarama eto dia azo oharina amin ny ILay Andriamanitra Mpamorona antsika, nefa ahoana moa no mety iharan’ny fanakianana toy izany ILay Andriamanitsika. I Jona ao amin’ny Testamenta taloha no efa nandalovan’izany tarehinjavatra izany koa, rehefa nirahin’Andriamanitra izy hanambara amin’ny mponina tao Ninive fa ho ringana izany mponina izany noho ny faharatsiana nataony. Rehefa naheno ny fanambaran’i Jona ny olona dia nahatsiaro tena ka nifona sy nivalo tamin’Andriamanitra hany ka nanaiky hamela heloka azy ireo Andriamanitra ka tsy nandringana azy indray. Nalahelo indray Jona nony voavelan’Andriamanitra ny helok’ireo olona tao Ninive ireo : ny fiheverantsika ny marina amin’ny maha olombelona dia tsy mitovy mihitsy amin’ny marina amin’ Andriamanitra, ary toa sarotra amintsika matetika ny mino ny famelan’Andriamanitra heloka ny olon-kafa, fa raha ny famelana ny helontsika dia mbola mety hino ihany isika.
Ny mahavantana ny olona rehefa mijery dia ny ezaka vitan’ny olona iray no ahazoana mitsara izany olona izany, ary izay no fomba fiasa mahazatra antsika, ary dia lasa fiteny ny hoe ny asa vita no hifampitsarana. Ny an’ny Soratra Masina dia ny hoe ny voa no hamantarana ny hazo, nefa ny voa dia ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olona iray no mitondra vokatra, ka voalaza fa raha tsy miray Aminy isika dia tsy mahefa na inona na inona, araka izany dia dia azo avahana ihany ny voa sy ny vokatry ny asa atao.
Mila mahay mandray sy manaiky ny Fahasoavana avy amin’Andriamanitra isika, ary indraindray sarotra amintsika na dia ny mandray fotsiny aza. Mitaky finoana avy amintsika na ny mandray ny fanomezan’ny Tompo aza.

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’I Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
tél 22 210 42 – 034 01 078 23 – 032 43 968 53
e-mail : lhmmad@orange.mg

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: