HIDERA AN’I JEHOVAH LALANDAVA AHO


Raha tsiahivina

Anisan’ny Ivontoerana miara-miasa mavitrika amin’ny Feon’ny Filazantsara ny Lycée Nanisana. Ny fikendren’ny roa tonta dia ny hisian’ny fitaizàna mifanindran-dalana eo amin’ny lafiny saina sy vatana ary fanahy eo anivon’ny sekoly. Efa nanomboka ny taona 2008 ny fiaraha-miasa tamin’ny alalan’ny “Fampianarana Soratra Masina Ifandraisana” (FSMI) na ny Cours Biblique par Correspondance. Nihitatra tamin’ny fandefasana “Film Débat” ary fampitaovana ny biblioteky amin’ny alalan’ireo boky Literatiora Kristiana vokarin’ny FF izany. Marihana fa Atoa Ramavoson Felix mpampianatra ao amin’ny Sekoly izay efa nahavita tanteraka ny FSMI no nanolo-tena an-tsitrapo amin’ny fanentanana sy fandresen-dahatra ireo mpianatra handalina ny Tenin’Andriamanitra. Tao anatin’izay fotoana izay dia niforona ny “Club Feon’ny Filazantsara”. Mpianatra eo amin’ny 20 no mpikambana ao anatin’izany izay tsy mitsahatra ny mitaona ireo mpianatra namany hiroso amin’ny fianarana Soratra Masina no sady mitory an-kira.
Atao ahoana tokoa moa no hangina
Na dia mbola tanora aza izy ireo dia tsy nijanona teo anivon’ny Sekoly fa niezaka nampivelatra ny asa fitoriana. Anisan’ireny ny mitory an-kira amin’ny alalan’ny famangiana Fiangonana. Ny Alahady 14 Aprily lasa teo àry dia nasain’ny Fiangonana FJKM Merikanjaka Fitahiana io Club FF io. Atoa Felix no nitondra ny fotoana rehetra. Mankalaza ny faha 10 taonany rahateo koa moa ny Sampana Fifohazana . Nampihetsi-po ny Fiangonana ny fahatongavan’ireo tanora sy ny fandresen-dahatr’izy ireo amin’ny asa fanompoana anolorany tena.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

IMG_0173 IMG_0187
Dia an-tongotra ho any am-piangonana Ny FJKM Merikanjaka Fitahiana
IMG_0191 IMG_0196
Fiomanana mialohan’ny fidirana Vavaka sy famakiana
ny tenin’Andriamanitra
IMG_0212 IMG_0182
Ny groupe FF mandray anjara hira Feno fifaliana ny rehetra

 

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’

Tél.: 22 210 42 – 034 20 635 53 – 032 54 635 53 – 033 15 635 53
E-mail : lhmmad@orange.mg
Siteweb : www.feonyfilazantsara.org

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: