NY FANAHY MAMANTATRA NY ZAVATRA REHETRA!


Ny sofintsika afaka mamantatra feo: mety feo mahafinaritra, mety feo mankadilo koa, ary misy aza feo izay tsy mba ren’ny sofin’olombelona akory toa ny « ultra son » ohatra. Ny masontsika dia mahita ny lokom-bonikazo kanto dia kanto ery. Ny endriky ny faravodilanitra dia mamelona eritreritra ny amin’ny fahatsaràn’ny asan’Andriamanitra; nefa, ao koa ireo zavatra mahatsiravina mampihoronkoditra antsika! Voafetra ihany anefa ny zavatra azon’ny masontsika jerena ka tsy mahita amin’ny maizina isika!

« Ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra » Ikor 2:9

Ny Fanahy kosa dia mamantatra ny zava-miafina , na dia ny ao am-po tsy miloaka aza!

Izy no mampiaiky antsika ny fahotantsika!

Izy no mitari-dalana ny zanak’Andriamanitra! « Izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra ». Rehefa mandray ny Zanak’Andriamanitra isika dia omeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, ary tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra.

Ny famantarana ny zavatra rehetra ho an’ny zanak’Andriamanitra dia manampy azy amin’ny fahalavorariana ny diany. Koa raha mandeha amin’ny lalan-tsarotra tsy fantatra izy dia ny Fanahy no manampy azy. Ny Fanahy koa anefa dia mahatsiaro ho malahelo rehefa manao izay tsy tiany isika zanak’Andriamanitra. Koa aoka ny zanak’Andriamanitra hazoto hanontany ny Fanahy ao anatiny ary hankato izay lazainy!

« Ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra »; ka mitari-dàlana , sy mampianatra, ary koa mananatra antsika…

Ny Tompo Jesosy Kristy mampahery anao!

 
Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’

Tél.: 22 210 42 – 034 20 635 53 – 032 54 635 53 – 033 15 635 53
E-mail : lhmmad@orange.mg
Siteweb : www.feonyfilazantsara.org
Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :