Miaingà, mandehàna mitety ny tany


* Club FF Lycée Nanisana

Nitohy tamin’iny volana Aprily 2013 iny ny fanasàna ny Club Feon’ny Filazantsara (FF) avy eny amin’ny Lycée Nanisana ho amin’ny famangiana Fiangonana. Ny Alahady 21 April 2013 lasa teo dia tanteraka soa aman-tsara koa ny asa fitoriana an-kira nataon’ireo mpianatra ao amin’io Club FF io teny amin’ny FJKM Imeritsiafindra Filadelfia. Izao famangiana izao moa dia tafiditra indrindra tamin’ny fankalazàna ny iray volan’ny Sampana Kristiana Tanora (STK) ao an-toerana. Nanana anjara hira 3 izy ireo ary dia nanadratra ny feony tokoa ho fideràna an’Andriamanitra, ary naneho ny Finoany tamin’ny alalan’ny hira “Mino aho”.

IMG_0236 IMG_0247
Manakivaky tanimbary Manatrika ny fanompoam-pivavahana
IMG_0252 IMG_0242
Mandray anjara hira Sakafo maivana
IMG_0258 Eny an- dàlana mody

 
* Miezaka mampahafantatra hatrany

IMG_0221

Saika isa- kerinandro dia misy hatrany ireo Fiangonana na Sekoly ifandraisan’ny FF ho fampahafantarana ireo asa iandraiketany sy atolony hoan’ireo izay liana sy maniry ny fiaraha- miasa.

IMG_0226

Mahafinaritra fa dia samy resy lahatra ny rehetra fa tokony hifanomezan-tànana tokoa ny fampandrosoana ny Asa Fitoriana ny Filazantsara. Satria moa iray ihany ny fikendrena dia ny hitarihana olona maro ho ao amin’ny Fiangonana , ny hitomboan’izy ireo amin’ny Finoana ka ho tafatoetra amin’izany finoany izany.

Photo 117
Ireo Fiangonana notsidihana

 
Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’

Tél.: 22 210 42 – 034 20 635 53 – 032 54 635 53 – 033 15 635 53
E-mail : lhmmad@orange.mg
Siteweb : www.feonyfilazantsara.org

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: