Club Feon’ny Filazantsara Lycée Nanisana

Iray volan’ny Diakona: Nitory tamin’ny alalan’ny hira sy seho an-tsehatra Anisan’ny programan’asan’ny Club FF Lycée Nanisana ho amin’ny taom-pianarana 2013/2014 ny famangiana Fiangonana mandritra ny fanompoam-pivavahana Alahady (in-telo ao anatin’ny taona). Ny Fiangonana hatrany moa no manasa azy ireo ary amin’izany dia mandray anjara vavaka, vakiteny, 5 mn’ny SA, hira ary fanentanana mikasika ireo sehatra’asa […]