Club Feon’ny Filazantsara Lycée Nanisana


Iray volan’ny Diakona:
Nitory tamin’ny alalan’ny hira sy seho an-tsehatra

Anisan’ny programan’asan’ny Club FF Lycée Nanisana ho amin’ny taom-pianarana 2013/2014 ny famangiana Fiangonana mandritra ny fanompoam-pivavahana Alahady (in-telo ao anatin’ny taona). Ny Fiangonana hatrany moa no manasa azy ireo ary amin’izany dia mandray anjara vavaka, vakiteny, 5 mn’ny SA, hira ary fanentanana mikasika ireo sehatra’asa vokarin’ny FF toy ny FSMI, émission Radio, sns izy ireo miaraka amin’ny Staff FF. Ny Alahady 10 Novambra 2013 lasa teo dia ny FJKM Amboasary Vavahadin’ny Lanitra izay efa misy “Volontaire” FF (Mr Daniel) any an-toerana no niangavy ny handraisan’ny Club anjara. Tafiditra indrindra amin’ny fankalazàna ny iray volan’ny Diakona izao asa lehibe izao. Tamin’ity indray mandeha ity dia tsy nijanona tamin’ny fandraisan’anjara nandritry ny fotoam-pivavahana maraina ihany izy ireo fa dia nitohy ny tapany hariva ny fotoana: fitoriana an-kira, tantara an-tsehatra mahakasika ny Diakona (andraikitra, toetra, asa fanompoana). Nisy koa tononkalo natolotra manokana hoan’ireo diakona nampitondraina ny lohateny hoe: “Ny maha Diakona ahy ve?” Nahatratra 24 ireo mpianatra sy Staff LHM nanatanteraka ny famangiana.
Tonga maro ireo kristiana nanatrika ny fotoam-pivavahana na ny tapany maraina na ny tapany hariva. Ny faniriana dia mba ho amin’ny tany tsara no namafazana ka hanome vokatra tsara.

DSC_0547 DSC_0516
DSC_0527 DSC_0522
DSC_0532 DSC_0534
DSC_0554 DSC_0555
DSC_0561 DSC_0539

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: