NY FITSAHARANA!


« Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana. »(Matio 11:28)

Misy fisehoan-javatra maro ahitantsika ny karazana entana azontsika entina, ao ny mora entina, ary ao kosa no azo entina ihany fa sarotra entina. Sarotra kokoa ohatra ny mitondra vato 50kg eo an-doha noho ny mitondra vary iray kitapo 50kg. Misy koa anefa tena entana tsy zakantsika ary mahatonga takaitra mihitsy aza raha mikiry hitondra an’izany!

Eo amin’ny fiainantsika dia misy trangan-javatra izay toa zakan’ny saintsika sy ny eritrerintsika ihany, fa misy kosa ny tena tsy haintsika hoeritreretina mihitsy, miteraka tsy fahitan-tory, mitondra adin-tsaina ary mitarika aretina. Misy amintsika dia mitodika amina zava-mahery mba hanadinoina ny zavatra tsy vita na tsy hay, na tsy tomombana, ka toa diso fanantenana. Rehefa misava anefa ny herin’ny zavatra noraisina dia io eo ihany ny olana fa tsy voavaha. Tsy misy ilay FITSAHARANA. Hoy ny Tompo amintsika, mankanesa aty amiko hianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho hanome anareo fitsaharana. Jesosy no miteny izany aminao izao. Raha tsy manafina amin’Andriamanitra ny zava-misy hianao, ka mitsotra aminy, dia ny sandriny no hitarihany anao, ary hotrotroiny eo an-tratrany ianao tahaka ny ondriny tiany.

Tia anao tokoa Jesosy, ary raiso izany fitiavany izany fa aza mitodika any amin’ny zavatra hafa indray izay mety hahalatsa-paka kokoa ny fahavoazanao. Malemy fanahy sady tsy miavona am-po Izy.

Ho aminao anie ny Tompo!

Feon’ny Filazantsara
« Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana »

Tél: 22 210 42 – 034 20 635 53 – 032 54 635 536 – 033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara
 
Raha nanoina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny « leave a comment » eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny « enter your comment here ».

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :