TAMPOKA NY FIHAVIAN’I JESOSY KRISTY INDRAY!


” Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony ho tamina. Dia miomana koa hianareo; fa ho avy ny Zanak’olona amin’izay ora tsy ampoizinareo.” Lioka 12:39-40

ANDRIAMANITRA AMINTSIKA, Andriamanitra nanaiky hatera-behivavy,ka tonga zazakely izay teraka tao an-tranon’omby. Ny fisian’ny zaza amin’ny tokan-trano iray dia manambara fifaliana sy fiadanana! Azon’ny olona entina amin’izay tiany: rehefa nokasain’I Heroda novonoina Jesosy zaza dia nentin’I Josefa sy Maria nitsoaka tany Egypta! Tamin’I Jesosy teto an-tany dia nanaiky nitankosina tamin’ny olona, ary ny nahagaga indrindra dia ny nanekeny nihosina ny fahotantsika na dia tsy nanota aza! Tsy jiolahy Izy fa nanaiky ho natao toy ny jiolahy; Andriamanitra malemy fanahy Izy satria nanaiky hiandry ny safidintsika:”indro, efa mitsangana eo ambaravarana Aho ka mandondona; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.”
Apok 3:20

ANDRIAMANITRA AVY AMIN’NY FAHEFANA: ho avy indray Izy hitsara ny velona sy ny maty. Mampihorohoro ny fihavian’I Jesosy indray fa toa tsy misy safidy intsony, fa fitsarana izay natao sisa! Hisy ny fanavahana: ny maty ao amin’ny Tompo sy izay mbola mitoetra ao amin’ny Tompo dia avahana ho any amin’ny fiainana mandrakizay, ary izay tsy nanaiky hohamarinina tamin’ny ràn’I Jesosy dia ho very any amin’ny fahaverezana mandrakizay! Dia ny mbola afaka misafidy malalaka ianao, satria izao no fotoana mety indrindra hanaovanao safidy, na ho velona hiaraka Amin’ny Tompo Jesosy mandrakizay, na hariana mandrakizay any anaty afo mirehitra.

NY TOKONY ho toetran’ny olona nisafidy ho an’ny Tompo Jesosy: Tokony hitahiry ny fahasahiana amin’ny asan’ny Tompo. Tokony hanana faharetana amin’ny asa fanompoana ny Tompo Jesosy! Tsy hanaiky hihemotra! Na dia mirongatra aza ny faharatsiana rehetra amin’izao andro farany izao dia hitazona mafy ny finoana izay hahavelona ny olon’Andriamanitra!

Ho aminao anie ny Tompo Jesosy!
Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’

Tél : 22 210 42 – 034 20 635 53 – 032 54 635 536 – 033 15 635 53
E-mail : lhmmad@orange.mg

Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book : Feon’ny Filazantsara

Raha nanoina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: