NY HERIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA.


« Ary tamin’izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny Lanitra. » Matio 4:17

Fanomanana an’i Jesosy talohan’ny niatrehany ny asa:

Ary Jesosy nentin’ny Fanahy nankany an’efitra, mba halain’ny devoly fanahy. Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana. Tsy zavatra mora ny fanomanana an’i Jesosy. Tsapa nandritra izany vanim-potoana izany fa ny Tenin’Andriamanitra no nentiny niatrika ny ady natao tamin’i Satana. Tamin’ny farany dia nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy anjely tonga ka nanompo Azy. Zavatra tokony hihatra amintsika koa izany raha maharitra amin’ny Tenin’Andriamanitra isika. VELONA SY MAHERY NY TENIN’ANDRIAMANITRA! Izao fotoana eto izao no nanomboka nitori-teny Jesosy! Ny toriteny nataony voalohany àry dia ny amin’ny Fibebahana! Maro ny teny azo hanambaràna ny fibebahana: fanenenana latsa-paka ao anatin’ny olona noho ny nanaovany zavatra nahatezitra an’Andriamanitra. Rehefa manenina dia miala amin’izany zavatra izany ka mifona amin’Andriamanitra ary manapa-kevitra ny hiala amin’izany ratsy izany. Mila maharitra amin’izany fiainam-pibebahana izany isika fa tsy lalovana fotsiny. Manome lanja lehibe ny Tenin’Andriamanitra izay mitondra fanjakan’Andriamanitra ao anatin’ny olona ary mampitombo izany. Ny hoe efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra dia Jesosy eo akaikin’ny olona miteny aminy, koa rehefa mandray izany Teniny izany dia mitondra Fanjakan’Andriamanitra ao anatiny izany. Ny Fanjakan’ny lanitra sy ny Fanjakan’Andriamanitra dia iray ihany. Ny hoe efa akaiky koa ny Fanjakan’ny lanitra dia ny fiavin’i Jesosy hitsara ny velona sy ny maty ka hitondra ny ao amin’ny Tompo any amin’ny Fanjakan’ny lanitra! Zava-dehibe ary ny Tori-teny sy ny fisian’ny Tenin’Andriamanitra eo amintsika. Tsy fiadiana amin’ny fakampanahy fotsiny ihany fa mamerina antsika ho amin’Andriamanitra mihitsy, mba ho isan’ny mpandova ny Fanjakan’ny lanitra koa isika. Aza avela ho mandalo re ny Teny na hikipina koa ny hazavàna, fa efa akakaiky ny Fanjakan’ny lanitra! Mibebaha ianao!

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’

Tél : 22 210 42 – 034 20 635 53 – 032 54 635 536 – 033 15 635 53
E-mail : lhmmad@orange.mg

Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book : Feon’ny Filazantsara

Raha nanoina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :