MPANDOVA NY FAHAMARINANA ARAKA NY FINOANA.


“Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay alehany.” Heb 11:8

Ny zavatra mbola tsy fantatra no mila finoana, ny zavatra mbola tsy hita no mitaky finoana. Abrahama nirahin’Andriamanitra hankany amin’ny tany tsy mbola fantany, ary niainga izy noho ny fankatoavany an’Andriamanitra: mariky ny finoany an’Andriamanitra izany fankatoavana izany. Tahaka izany koa i Noa, nankatoa ny tenin’Andriamanitra izy na dia tsy fantany aza ny ambaran’ Andriamanitra azy, ary voalaza fa izany no nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana! Ny lova dia zavatra raisin’ny olona iray, tsy noho ny asa nataony fa nomena azy
maimaimpoana. Matetika dia ny zanaka no mandova, nefa ny zanaka natsangana koa no mandova. Isika Kristiana dia natsangan’ Andriamanitra ho zanany tamin’ny Batisa Masina. Fa maninona no natao batisa isika? Satria noho ny finoana an’i Jesosy Kristy, ny finoana an’Andriamanitra noho ny Teniny. Isika, na dia tsy nahita maso an’i Jesosy, nefa noho ny Filazantsara vakiantsika sy iainantsika dia tonga ao anatintsika ny finoana an’Andriamanitra. Na dia tsy hitantsika maso aza Andriamanitra dia mino Azy isika noho ny Teniny, ary misy asa mivaingana hitantsika koa izany Teniny izany!

Anio ary, dia te hanamarina anao Jesosy satria asany ny fanamarinana anao. Tsy avy amin’ny asa fandrao hirehareha, fa finoana ny Teniny no hanamarinana anao! I Abela dia nanatitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina ho an’Andriamanitra, ary izany no nanambarana azy fa marina. Anio koa ianao dia afaka manolotra ny tsara indrindra eo aminao dia ny fonao. Hoy Izy hoe: Anaka, atolory Ahy ny fonao! Ary ny finoana dia fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Heb 11:1 Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao. Heb 11:3 Finoana no nanafenan’ny ray amandrenin’i Mosesy azy telovolana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin’ny mpanjaka. Heb 11:23 Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina. Heb 11:29

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’

Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53

E-mail:lhmmad@orange.mg

Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanoina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: