Fiaraha-miombon’antoka Fiangonana/Feon’ny Filazantsara


Seminera Fampiofanana faharoa tany amin’ny Synodam-Paritany Fisakana (SPaFi)

Raha tsiahivina fohy dia ny volana Aprily 2013 no nanatontosana ny Seminera antsoina hoe: “Fampitaovana ny olona masina” voalohany tany amin’ny Synodam-Paritany Fisakana. Araka ny fangatahan’ny raiamandreny Pastora Randrianandrasana Daniel izay sady Mpitondra Fitandremana Andraimasina no sady Tonian’ny Tafika Masina Maharitra (TMM) SPaFi dia nahazo ny anjarany koa ny Fileovana Fandriana ny 23, 24 Janoary 2014 lasa teo. Tao amin’ny Sekoly Biblika Ambozontany ao amin’ny Fitandremana Antetezantany no nanatanterahana ny Fampiofanana. Kristiana miisa 35 avy amin’ny Fiangonana 15, ao anatina Fitandremana 7 no nandray anjara tamin’izany. Marihina fa ny 9 tamin’ ireo mpiofana dia Katekista. Ankoatry ny Pastora Randrianandrasana Daniel Tonia TMM dia raiamandreny Pastora Mpitondra Fitandremana dimy (5) [Pastora Randimbiharisoa Arsene (Fitandremana Morarano), Pastora Rafenomananjato Johnson (Fitandremana Andoharano), Pastora Andriamisarisoa Maël (Fitandremana Fenoarivo), Pastora Rakotoarisina Bemahafaly (Fitandremana Andranoraikitra), ary Pastora Rakotonirainy Benjamin Mpitondra Fileovana Fandriana sy Pastora Randriamandimbisoa Alfred Filohan’ny Synodam-Paritany Fisakana] no tonga nanotrona sy nandray anjara tamin’ny Fampiofanana. Pastora Randriamandimbisoa Alfred Filohan’ny Synodam-Paritany Fisakana moa no nanokatra sy nanakatona ny Fampiofanana ary nisaotra ny Feon’ny Filazantsara noho ny asa fikelezan’aina ataon’izy ireo ho fampandroasoana ny asa Fitoriana any an-toerana.
Toy ny mahazatra dia misy hatrany fanolorana sertifika ireo mpiofana rehetra aorian’ny fampiofanana.

DSC_0996 DSC_0998
Am-bisikileta no namonjena ny fiofanana FLM Antetezantany
DSC_0990 DSC_1125
Atoa Claude FF, niandraikitra ny fampandehanana ny jiro Randriamandimbisoa Alfred Filohan’ny Synodam-Paritany Fisakana, manokatra
ny fotoam-piofanana
DSC_0940 IMG_7749
Ny Talén’ny FF mitarika ny fampiofanana
DSC_0963 DSC_1089
IMG_7823 IMG_7846
DSC_1158 DSC_1131
Pastora Rakotonirainy Benjamin Mpitondra Fileovana Fandriana Ireo Pastora tonga nanatrika
DSC_1179 IMG_7797
Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :