ANDRIAMANITRA MIHEVITRA ANTSIKA.


« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany. » Jeremia 29:11

Misy teny roa toa mifanohitra eto: Fiadanana sy Loza. Raha ny maha olombelona antsika dia aleontsika mandrakariva ny fiadanana noho ny loza. Ny loza dia hanambaràna zavatra sarotra mihatra. Raha ny tantaran’ny Zanak’Isiraely no dinihina dia tsy làlana mora hatrany no nitondran’Andriamanitra azy ireo fa làlantsarotra, toy ny làlana tany an’efitra; nefa kosa nahitàny ny Fitiavan’Andriamanitra, izay nanana ny Tànany mahery niarovany azy ireo, ary nanomezany vahaolana ho azy ireo hatrany. Tonga tany Kanana izy ireo tamin’ny farany. Nampiorina ny finoana an’Andriamanitra tao aminy izany rehetra izany! Toy izany koa ny làlana nomban’i Jesosy Kristy tamin’ny nanekeny ho tonga nofo, ka nahatsiarovany ny mafy rehetra mpanjo ny olombelona, dia ny mafy rehetra noho izay zakain’ny olombelona aza! Nefa fantantsika rehetra ny vokany: Nandresy tamin’ny Fandresena feno voninahitra Izy, dia ny fandresena ny fahafatesana. Nitsangana tamin’ny maty ny Tompo, resy ny fasana. Nandalo loza tokoa ny Tompontsika nefa naharitra ny fizahantoetra ka tonga tamin’ny fiadanana: mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Eo amin’izao fiainantsika izao dia tsy tokony ho variana mimenomenona isika fa hahatsiaro hifikitra amin’ny finoana an’Ilay niantso antsika. Koa raha hitady Azy amin’ny fontsika isika dia ambarany fa ho hitantsika tokoa Izy!
Ny Tompo Jesosy hampahery anao!

Feon’ny Filazantsara
« Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book : Feon’ny Filazantsara

Raha nanoina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :