Fiaraha-miombon’antoka FF/Fiangonana


Seminera Fampiofanana voalohany iarahana amin’ny Synodam-Paritany Horombe (SPH):

Ho tohin’ny dinidinika nifanaovan’ny Pastora Zafimanjary José Thierry, Mpitondra Fitandremana Satrokala, Fileovana Ranohira sy ny Feon’ny Filazantsara ny amin’ny hanatanterahana Fampiofanana “Fampitaovana ny olona Masina” any an-toerana dia tontosa soa aman-tsara izany ny 28-29 Febroary 2014 lasa teo. Tao amin’ny Sekoly Loterana ao Ranohira moa no nanaovana izany. Nahatratra 31 ireo mpandray anjara avy amin’ny Fiangonana mpiara-miasa 15, anatina Fitandremana 7 izay nahitana komitim-piangonana, mpiandry, Filohan-tSampana ary Katekista 9. Raiamandreny Pastora 5 no tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’ny fampiofanana dia ny Pastora Ravasa Imanoela (Mpitondra Fileovana Ranohira), Pastora Zafimanjary José Thierry (Mptondra Fitandremana Satrokala), Past Genève Philippe (Mpitondra Fitandremana Ilakakabe), Past Tsirinasy Pierre Laroche (Mpitondra Fitandremana Voatsinampy) ary Pastora Rasabotsy Jean Pierre (Raiamandren’ny Toby Masina Famonjena Ranohira). Nisy Pastora roa tsy afaka nanatrika ny fotoana fa dia ny vadiny no nandray anjara mavitrika tamin’ny fampiofanana.
Azo ambara fa iny faritra Atsimon’ny Madagasikara iny dia toerana mbola anjakàn’ny fampiasana ody na moara; hany ka hery lehibe ho an’ireo mpiofana sy ireo raiamandreny ny nahazoana nifampiofana toy izao ho fampandrosoana ny asa fitoriana ny Filazantsara any an-toerana.

DSC_0328 Pic13
Sekoly Loterana Ranohira Ireo mpiofana sy mpampiofana rehetra
DSC_0264 DSC_0371
Pastora Ravasa Imanoela,
nanokatra ny fotoana
Pastora Zafimanjary José Thierry nisaotra ny mpiofana sy ny mpampiofana
DSC_0304 DSC_0315
DSC_0520 Pic04
DSC_0543 DSC_0500
DSC_0474 Pic10
DSC_0620 DSC_0623
Raiamandreny Pastora 5 no tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’ny fampiofanana Ireo Katekista tonga niaraka tamin’ny mpiofana

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: