NY DIDY FAHA EFATRA!


“Manajà ny rainao sy reninao, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro hianao, ary mba hahita soa any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao.”
(Deot 5:16)

Rehefa noforonin’Andiamanitra ny olombelona dia hatrany ampiandohana no nanomezany didy ny amin’ny tsy hihinanana ny voan’ny hazo ampovoan’ny saha. Ny fifankatiavana tsy maintsy mifamarafara, raha tsy izany dia tsy mateza izany fifankatiavana izany. Mampahafantatra ny olony ny zavatra rehetra, rehefa navotan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Ranomasina Mena ny olony, ary taorian’izany dia nomeny ny Didy Folo. Ao anatin’izany ity Didy ity: Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao, ary mba hahita soa any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao. Amin’ireo Didy rehetra, dia ity ihany no misy teny fikasàna: mba ho maro andro hianao ary hahita soa. Mizara roa ny Didy Folo: Ny hitiavana an’Andriamanitra. Ny hitiavana ny namana. Ao anatin’ny fizaràna faharoa izany ity didy ity! Fitiavana ny namana. Ny ray amandreny anefa dia tsy namana fotsiny fa solontenan’Andriamanitra mihitsy. Eo amin’ny fiaraha monina anefa dia maro no mitonona ho Ray amandReny: ny Dadabe, ny Renibe, ny Dadatoa, ny Nenitoa. Izany anefa no mahasarotra ny fitaizana. Izay tokantrano na fanjakana anjakan’ny fanoavana Ray amandReny dia handry fahizay. Raha manoa Ray amandReny ny zanaka dia tanteraka aminy ny teny fikasana: ahita soa amin’ny tany izay omen’Andriamanitra, ary ho maro andro. Avy amin’Andriamanitra izany fanomezana izany! Hoy ny Tenin’ny Tompo ao amin’ny Jaona 15: Tahaka ny sampana tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko. Aoka ary hanaja ny Ray amandReny solontenan’Andriamanitra isika, mba ho tanteraka amintsika ny teny fikasana!

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanoina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: