FANDAHARANA AMIN’NY RADIO


“Henoy ny feony”

Efa nambara teto ihany ny momba ny fandaharana “Henoy ny feony”, mandeha amin’ny onjam-peo na radio, vokarin’ny Sampan’asa Feon’ny Filazantsara. Ny hitoriana ny filazantsara ho an’ny tanora no tanjona lehibe ao anatin’izany. Anisan’ny mampiavaka ny fandaharana ny famakafakana lohahevitra iray izay miova isam-bolana. Nisy rahateo ny fanadihadiana natao mba ahafantarana izay lohahevitra mahaliana ny mpihaino tamin’ny jolay-septambra 2013. Entina tsikelikely mifanesy araka izany ao anatin’ny fandaharana izy ireny ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra indrindra ny tanora. Ankoatra izany, ao anatin’ny volana iray, dia mpandray anjara samihafa ihany koa no asaina mitondra ny fiheverany mikasika ilay lohahevitra raisina eo. Misokajy efatra mazava tsara izy ireo: tanora zandriny, tanora zokiny, ray aman-dreny, ary ray aman-dreny am-panahy (Pastora, Mpitandrina). Ireto sokajy farany ireto no mamarana hatrany ny dinidinika amin’ny famakafakana amin’ny fandravonana izay rehetra voaresaka tamin’ireo fandaharana telo nifanesy na ihany koa mitondra famenon-kevitra izay tsy voalaza kanefa tsara ho fantatra. Ny fikendrena ao anatin’izany dia mba ho feno tsara ny hafatra atolotra mba ho sahaza sy tandrify ny mpihaino tsirairay. Tsiahivina, fa miditra amin’ny fahatelo taonany izao ity fandaharana “Henoy ny Feony” ity ary ankoatra an’Antananarivo dia efa mihaino azy ihany koa amin’izao fotoana izao ny mponina any amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana sy ao Vakinankaratra.

DSC_0712
Pastora ZOULDER David sy ireo mpiandraikitra ny Fandaharana

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: