Manao ahoana ny saina tokony ananantsika?


“Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany.” Filipiana 2:5-6-7a

Nisy vehivavy iray, izay nanana menaka manitra tsara.
Nalainy io menaka io dia nahosorany ny tongotry ny lehilahy iray, ary nalainy koa ny volon-dohany dia namafany ny tongotra izay voahosotra tamin’ilay menaka teo! Ny volo dia voninahitry ny vehivavy araka ny Soratra Masina nefa dia namafan’ity vehivavy ity ny tongotr’i Jesosy ny volony! I Kristy Jesosy, araka ny voalaza eo amin’io andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Filipiana io dia nanana ny endrik’Andriamanitra, nanana ny toeram-boninahitra mamirapiratra tany andanitra tany, nefa tsy mba nofikiriny mafy izany fitovina tamin’Andriamanitra izany, ary dia voalaza fa nofoanany ny tenany ka nanaiky izy ho manam-pitoviana amin’ny olona; ny olona izay tena maloto, tsy misy fahamasinana, azo ambara amin’ny teny iray hoe: mihosona maloto. Izany anefa no loharano nahazoan’ny olona izay mandray Azy famonjena. Ny mpanjaka raha ny maha mpanjaka azy dia soavaly no mendrika hitaingenany, fa tsy tokony hitaingina boriky rehefa handeha hiady. I Kristy Mpanjaka nitaingina boriky raha hiditra an’i Jerosalema: tsy hiady Izy fa Mpanjaka malemy fanahy, mitady fihavanana! Aoka ho ao aminareo izao saina izao izay tao amin’i Kristy koa! I Maria anabavin’i Lazarosy dia nanana tokoa izany saina izany. Ny volondohany izay voninahitra amin’ny mahavehivavy azy no namaohany ny tongotr’i Jesosy. Inona no vokatry ny fiaretan’i Jesosy? Nahazoan’izao tontolo izao fifaliana izany fiaretany izany. Tonga zanak’Andriamanitra koa izay rehetra mandray Azy! Aoka ho ao aminao izany saina izany! Ny sarobidy indrindra eo aminao dia ny fonao, mba foinao hidiran’i Jesosy ve izany? Fa raha hidirany ny fonao dia homeny fifaliana ianao dia ny fiainana mandrakizay!
Andramo fa tsara Izy!

Ho aminao anie ny Tompo!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’

Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg

Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: