Hetsika fampahafantarana


Nampahafantatra ny sahan’asany teny amin’ny Grande Braderie ny FF

Voalohany izao ny sampan’asa Feon’ny Filazantsara no nandray anjara amin’ny « La Grande braderie de Madagascar » izay azon’ny rehetra novangiana tao amin’ny Stand N°104 teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Hetsika izay nanomboka ny alarobia 02 aprily lasa teo izy io ary nifarana ny alahady 06 aprily 2014. Antony lehibe tamin’izao fandraisany anjara izao ny fampahafantarana amin’ny ankapobeny ny Feon’ny Filazantsara, indrindra ireo sehatr’asa izay ahafantarana azy: ny fampianarana Soratra Masina ifandraisana (Cours Biblique par Correspondance), ny fandaharana amin’ny fampielezam-peo « Henoy ny feony », ny literatiora kristiana, ireo horonan-tsarimihetsika kristiana, ireo programa miaraka amin’ny tanora sy ny programa mandeha amin’ny internet. Mikasika manokana ny « Cours Biblique par correspondance » dia nisy « tract » nozaraina teny an-toerana nahazoan’ireo izay liana hisoratra anarana hanaraka ny fampianarana. Marihina moa fa ho an’ireo izay nandray ny « tract » teny an-toerana dia azony atao ny mandefa mivantana ny tapakila nofenoina ao amin’ny foibe Feon’ny Filazantsara Lot II-V 72 bis Bel Air Ampandrana-BP 3111 Antananarivo na mandefa izany amin’ny alalan’ny Paositra.

ARN_4800 ARN_4799
DSC_0005 DSC_0035
Ireo mpiara-miasa an-tsitra-po FF mizara « tract »
DSC_0002 DSC_0011
DSC_0042 DSC_0061
Liana avy hatrany ireo mpitsidika ny tranoheva
images 3
Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina
Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :