TSY MIOVA OMALY SY ANIO ARY MANDRAKIZAY


“Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina va hianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia. Ary hoy Izy taminy: alatsaho amin’ny sisiny ankavanan’ny sambokely ny haratonareo dia hahazo hianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano.” Jaona 21:5-6

Rehefa tsy hitan’ny mason’ny mpianatra intsony Jesosy, na dia efa nomanin’ny Tompo fatratra aza izy ireo ny amin’izany fandehanany izany, dia mbola tonga amin’izao fahakiviana izao ihany ny mpianatra. Taratry ny fiainana maha-kristiana antsika izany; rehefa mihavitsy ny famantarana hita dia miha-mangatsiaka ny fiainam-panahy. Tsy nahatsiaro ny hafatry ny Tompo ireto mpianatra fa mbola hitsangana Izy, na tsy azony antsaina mihintsy. Maty ny Tompo! izany no tao an-tsainy! hany ka nanapa-kevitra handeha hanarato i Petera, ary dia nanaraka azy ny namany. Nandritry ny alina no nanarato izy ireo, nefa tsy nahazo na mangiran-dratsy aza: mbola marina ny tenin’ny Soratra Masina hoe raha tsy miray amin’ny foto-boaloboka ny sampana dia tsy hitondra vokatra ary halazo! Izany indrindra eto no nitranga! Tsy nahazo na inona izy ireo nandritry ny alina manontolo! Hoy Jesosy tamin’ireo mpianatra: Anaka, manan-kanina va hianareo? Jesosy Ilay tsy miova omaly sy anio mihintsy no mbola eto: Anaka, manan-kanina va hianareo? Ilay Mpiandry tsara tsy manadino ny ondriny, fa mitady hanina ho azy! Nasain’i Jesosy narotsaka ny harato na dia efa afa-nenina aza ry Petera dia narotsany ihany ny harato ka dia feno saika tsy zaka. Tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay ny Tompo! Tena Andriamanitra Izy! Hay, tsy maty Ilay Jesosy, ary nitsangana tamin’ny maty, ary izao mbola mahavita fahagagana izao indray! Ny tsy finoana ny Soratra Masina no mahatonga ny olona ho very mandrakizay! Ary izany tsy finoana izany no mahatonga azy hihataka amin’Andriamanitra! Handeha isika hiverina haingana amin’ny finoana an’Andriamanitra Ray, izay miantso antsika amin’ny alàlan’i Jesosy Kristy mba tsy hisaraka Aminy!

Ho aminao anie ny Tompo!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: