NY FANALAHIDY:


MANAMBARA NY FAHEFAN’I KRISTY

“Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’I Davida; dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.” Isaia 22:22

Rehefa nahavita ny fe-potoana niasany amin’ny maha Chancellor ny Exchequer azy i Randolph Churchill, dia nisy solontenan’ny Parlemanta tonga tao antranony mba haka ireo fanamiana ofisialy. Tsy nety nanome ireo fitafiana famantarana ny maha-manampahefana azy anefa izy, ary nanambara fa tazoniny homeny ny zanany lahy, antsoina hoe Winston izany.

Misy ny famantaram-pahefana hafa koa toy ny: tehina fohy, satroboninahitra, fanalahidy. Indrindra ny fanalahidy, ilay fitaovana izay manidy sy mamoha varavarana, dia tena manambara fahefana tokoa. Izay manana ny fanalahidy no manam-pahefana amin’ny trano. Ao amin’ny Baiboly ny fanalahidy no famantarana ny fahefan’ny Mesia. Ambaran’Andriamanitra fa manana ny “fanalahidin’ny tranon’i Davida” izy, hanambarana ny Fiangonana amin’ny maha-fanjaka-mpahasoavana izany. Jesosy amin’ny maha-Mesia Azy no manana ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Amin’ny maha-voahombo Azy noho ny fahotan’izao tontolo izao, sy ny nitsanganany tamin’ny maty no ananan’i Jesosy fahefana hamela heloka, fanalahidy hamohany ny lanitra hidiran’izay rehetra mino Azy. Hoy i Jaona raha nanambara izay nolazain’Isaia: “Izao no lazain’Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha.” (Apokalipsy 3:7).

Amin’ny maha tompom-pahefana any an-danitra ka hatrety an-tany Azy, dia nomeny ny mpianatra koa izany fahefany izany: fahefana tsy hamela ny heloky ny tsy mibebaka, sy hamela ny helok’izay mibebaka sy mino an’i Jesosy ho mpamonjy azy. Io no fahefana izay ananan’ny fiangonana ampihariny amin’ny ministerany: fahefana hanidy sy hamoha ny varavaran’ny lanitra.

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: