ZARO AMIN’NY LALANA TOKONY ALEHANY NY ZAZA…


“Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.” II Tim 3:14-15

Betsaka ny zavatra mbola tsy hitantsika tonga tampoka eo anoloantsika, ary tena mampiasalasala antsika aza, mety mahavery hevitra ihany koa, indrindra rehefa eo amin’ny taona miala sakana. Toa voasarika hiala amin’ny Fitaizana efa nitaizan’ny Ray amandrenintsika antsika isika tanora: inona ary no marina? Izany no fanontaniana mipetraka ao amin’ny saintsika. Ny Fampianaran’i Dada sy Neny sa ny fampianarana hafa: any ampianarana, avy amin’ny namana, avy amin’ny fianakaviana…Mametra-panontaniana ary ianao ao anatinao ao! Nety ve ny fitaizana ahy? Tamin’ny nanaovana batisa antsika dia nanao fanekena ny mpiantoka antsika (raha mbola zaza isika) fa hanao izay ahazoantsika fianarana ny Soratra Masina izy ireo ary mba ho hitan’izay natao batisa ny fifankatiavana ao an-tokantrano izay misy azy, mba tsy ho ady lava no ho hita ao. Izao teny eto izao ary dia manamarina ny tokony hitaizana ny zaza amin’ny Soratra Masina, ary na dia hatrany am-bohoka aza dia efa tokony hifanerasera amin’izany! Mazava ny voalaza eto amin’ity Timoty faharoa eto ity ny amin’ny mahatsara ny Soratra Masina amin’ny fitaizana ny zaza. Voalazan’i Paoly fa nampahendry an’i Timoty izany. Tsy nampahendry fotsiny fa nitarika ho amin’ ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Nila batisa ianao na dia mbola zaza aza satria nateraky ny nofo ihany, ary ny Teny miombona amin’ny zavatra hita maso no nampanan-kery izany ho famonjena anao, fa ny Soratra Masina kosa no nampahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy! Mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao! Raha tsy mahita Soratra Masina ianao ao an-tokantrano misy anao dia mitadiava ao amin’ny Baiboly fa ho marina aminao koa izao tenin’i Paoly amin’i Timoty izao!

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao
Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: