FA IZAHO MAHALALA NY HEVITRA IHEVERAKO ANAREO


“Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao no mba anirahako azy kosa amin’izao tontolo izao.”Jaona17:18

Jesosy Kristy mivavaka ho an’ny mpianany no hitantsika eto amin’ity andinin-tSoratra Masina ity. Andriamanitra naniraka an’i Jesosy ho amin’izao tontolo izao ary Jesosy kosa naniraka ny mpianatra ho amin’izao tontolo izao. Tao amin’Andriamanitra Jesosy tany amboalohany, ary nirahiny tety antany: teraka tany an-tranon’omby, niaraka tamin’ireo ray amandreniny, sy ireo iray tampo taminy, nalaim-panahy tany an’efitra, nanao fahagagana maro, nampianatra, ary niharan’ny fahafambaraka sy fahafatesana mihintsy aza. Raha dinihina amin’ny saina tsotra dia niharan-doza Jesosy Kristy tety an-tany. Ny Fifaliana ho antsika mpianany, na isika Kristiana anefa dia nitondra famonjena ho antsika izany zavatra rehetra nihatra tamin’i Jesosy izany. Nisy zava-dehibe nitranga anefa taorian’izany toa loza izany. Telo andro taorian’ny fahafatesany dia nitsangana tamin’ny maty i Kristy. Fandresena ho an’i Jesosy! Fandresena ho an’Andriamanitra! Fandresena ho an’ny mpianatra! Fandresena ho antsika rehetra! Na dia loza aza no niheverana azy, dia Fiadanana no niafarany! Tena nahalala ny hevitra iheverana an’i Jesosy tokoa Andriamanitra Ray!
– Jesosy Kristy naniraka ny mpianatra ho amin’izao tontolo izao.
Sarotra ny adin’ny mpianatra atrehiny eto amin’izao tontolo izao, ary ny Soratra Masina aza dia nanambara fa eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa aoka hatoky fa Kristy efa naharesy izao tontolo izao. Raha naniraka ny mpianatra i Kristy dia tsy ny hampidi-doza azy ireo fa ny hitondrana Fiadanana ho azy. Raha ny asan’ireo Apostoly no jerena dia nisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra ny asan’izy ireo, ary tena niara-niasa taminy Andriamanitra, ary ny fijoroan’ny Fiangonana hatramin’izao androntsika izao no vavolombelon’izany. Ianao Kristiana ankehitriny izao kosa dia tokony hatoky fa raha nanaiky irahin’i Kristy ianao dia Izy mihitsy no hiantoka anao amin’izany iraka izany. Koa matokia fa mahalala ny hevitra iheverana anao Izy, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza! Raha hitady Azy ianao, dia ho hitanao Izy, raha katsahinao amin’ny fonao rehetra. Jer29:13

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: