FANAHY IRAY.


“Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ny Fanahy iray ho any amin’ny Ray.” Efes2:18

Ny Fiangonana tany amboalohany dia ny Zanak’Isiraely, izay ambara ho olon’Andriamanitra . Dia Jehovah Andriamanitra mpamorona ny tany sy ny lanitra no nitarika azy. Niavaka tokoa ny olon’Andriamanitra noho ny fitarihiny azy tamin’ny zavatra rehetra izay nataony rehefa Andriamanitra no mbola nekeny ho mpitarika azy. Nisy anefa fotoana nivilianan’ireo lalana ka nanaraka andriamanikafa, ary dia teo no nahatezitra an’i Jehovah izay Andriamanitra saro-piaro, ary nanafay ny olony. Teo anilan’izany kosa anefa nisy ireo voalaza hoe tsy mifora, na ireo jentilisa, manompo andriamanikafa tsy mba nanana ny tombontsoa tamin’ ny fitarihin’i Jehovah Andriamanitra azy , fa nandeha tamin’ny sitra-pon’ireo andriamanitra tsy izy. Rehefa nifanena tamin’Jehovah anefa ireo dia niankohoka tamin’Ilay Andriamanitra tena Izy dia Jehovah Andriamanitra izany. Nisy ny fifanalavirana teo amin’ny roa tonta tamin’izany. Soa fa tonga tety an-tany ilay mpampihavana dia Jesosy Kristy ilay Zanak’Andriamanitra Lahy tokana, nitondra ny Fampihavanana tamin’Andriamanitra sy ny Fampihavanana tamin’ny olona samy olona. Izy no nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana tamin’izay lavitra ary fihavanana tamin’izay akaiky koa. Rehefa nanaiky ny Fampihavanana nataon’i Kristy tamin’Andriamanitra ny olona iray dia manome ny fony ho fonenan’Andriamanitra. Andriamanitra monina ao anatin’ny olona: Fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahiny. Lasa ankohonan’Andriamanitra ny olona rehefa nanaiky ho fonenan’ny Fanahiny, rehefa nanaiky ho fonenan’Andriamanitra. Matoa atao hoe fonenana dia ao izay no matory, ao no misakafo, ao no trano mahatamana. Mba tena fonenan’Andriamanitra tokoa ve ny fontsika? Afaka mipetraka ao ve Izy, afaka matory? afaka misakafo ao ve Izy? Tena tompon-trano ao tokoa ve Izy? Sa dia, voailika ka tsy afaka mipetraka na dia iray minitra aza? Raha mba mahazo toerana kely aza dia ampiafiana be, fa i Satana no omena vahana tokoa? Tsy ny Fanahy iray ve no mibaiko matoa miady ny olona, ary na dia ny samy olon’Andriamanitra aza? Tena fonenan’Andriamanitra marina ve isika? Mba manana fotoana firy eo amin’ny fotoanantsika ny Tenin’Andriamanitra? Mba firy minitra , na adin’ny firy isika no mivavaka? Mba manana anjara eo amin’ny fivoriana aton’ny olon’Andriamanitra ve ny vavaka, sa dia navela ho any am-piangonana ihany izany fiainam-bavaka izany? Sa efa “fanahy hafa” mihintsy no ao anatin’ilay olon’Andriamanitra rehefa tsy any ampiangonana? Fa Izy no anantsika roa tonta fanatonana amin’ny Fanahy iray ho any amin’ny Ray!
Ny Tompo Hampahery anao!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: