Isan-taona faha 21 n’ny TOBIM-PIFOHAZANA FIADANANA AMBOHIJANAKA FIAFERANA


“…Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao…” Jeremia 31:3b

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny programan’asan’ny Feon’ny Filazantsara (FF) ny fiaraha-miasa amin’ny Fiangonana, anisan’izany ny fandraisan’anjara amin’ireny fotoan-dehibe “Isan-taonan’ny Toby Fifohazana” ireny. Ny 06-07-08 Jona 2014 lasa teo àry no nakalazana ny Isan-taona faha 21 n’ny TOBIM-PIFOHAZANA FIADANANA AMBOHIJANAKA FIAFERANA, miray amin’ny TOBILEHIBE ANKARAMALAZA. Tobim-pifohazana iray ao amin’ny Fileovana Tsarahonenana, Synodam-paritany Antananarivo, eo amin’ny Sahan’ny FLM izy io. Ny teny faneva nobanjinina nandritra izany moa dia ny hoe: “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao” Jeremia 31:3b.
Ho valin’ny fanasan’ny Komitin’ny Toby moa dia nanana anjara tamin’ny fandaharam-potoana ny Feon’ny Filazantsara ny Zoma 06 Jona 2014. Fandefasana horonan-tsarimihetsika izay mitondra ny lohateny “Ny dian’ny mpivahiny” no nentin’ireo solon-tenan’ny FF nitondrana ny hafatry ny Soratra Masina. Izany dia maneho indrindra ny fizotry ny fiainana kristiana izay feno ady, nefa rehefa nanaiky sy niaina ny tenin’Andriamanitra izy, dia nahatratra ny tanjona nokendreny, dia ilay fiainana mandrakizay izany. Nahatratra teo amin’ny telon-jato ireo nijery ny horonan-tsary (ankizy, olon-dehibe, ireo marary beazina). Nahaliana sy nahafinaritra ireo mpivory ny fandaharana koa dia maniry izy ireo ny hitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany.

DSC_0905 DSC_0911
DSC_0913 DSC_0928

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: