MIHARY HARENA HO AN’NY TENANY IHANY!


“Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharinao? Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra.” Lioka 12:20-21

Ny any amin’ny tany mandroso, raha miresaka varotra sy famokarana; rehefa tafahoatra ny vokatra novokarina (entam-barotra ohatra) dia nodorana izany satria manimba ny lalam-barotra, na naleo ho lo toy izay ho an-kavana araka ny fitenenana. Any amin’ny tany hafa anefa, misy ny matin’ny hanohanana. Raha ny momba ny fivarotana fitaovampiadiana koa dia azo raisina ho toy izany ihany: Tsy misy ny fitsinjovana ny ain’ny olona samy olona fa izay ahazoana vola no atao ary atao mihitsy aza ny fampiadiana mba handehanan’ny fivarotana fitaovampiadiana, ary dia izany no antony ambolena ady etsy sy eroa. Hoy ny Tompo Jesosy: ry adala anio alina no alaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharinao? Dia toy izany izao fanoharana nataon’i Jesosy eto izao: Ny amin’ny lehilahy mahavokatra be, efa manana ambim-bava ka nanana sompitra, ary noho ny habetsahan’ny vokatra niampy dia noravana ilay trano teo aloha ka nanao trano lehibe noho ny teo, voalaza fa nanana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro, ary dia izy tenany mihitsy no niteny izany: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro hianao; mitsahara, mihinana, misotroa, mifalia! Tena mihary ho an’ny tenany ihany nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra. Raha maty tokoa moa izany olona izany, dia tsy hahatondra iray tanana ny amin’izany akory, ary ny fahaverezana mandrakizay no miandry azy, satria tsy mba nihevitra ny amin’Andriamanitra izy ny amin’izay zavatra rehetra azony tamin’Andriamanitra! Raha nisy ny zavatra teo amintsika ka tsy nikarakarantsika ny an’Andriamanitra fa ny antsika ihany dia aoka isika hatahotra ka hifona aminy ary hitodika hisaina ny amin’Andriamanitra ka tsy ho jamba! Andeha ny tenantsika aloha no atolontsika ny Tompo, dia izay mikasika antsika rehetra ho entintsika hanatanterahana ny asany amin’ny fotoana iainantsika!

Ny Tompo homba anao!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: