NA DIA FONY MBOLA MATIN’NY FAHADISOANA AZA ISIKA, DIA NAHAVELONA ANTSIKA ANDRIAMANITRA.


« Hiainga aho, dia hody any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko o, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony;… » (Lioka 15:18-19a)

Ny Fitiavan’Andriamanitra:
Tamin’ny fanoharana nataon’i Jesosy ny amin’ilay zanaka adala dia niahy ity zanany ity ilay Ray ary tsy nanana ny naha ory azy loatra; fa na dia ny mikasika ny raharaha aza dia nanana mpikarama ny rainy. Asa! izay nahazo ity tovolahy ity fa notakiany ny anjara-fananany tamin-drainy dia lasa izy nandany izany tamin’ny fiveloman-dratsy. Ny niafarany moa dia lany ny fananany, ary ny hanina fihinan’ny kisoa sisa no namenoany ny kibony. Ny Fitiavan’Andriamanitra tamintsika dia niseho tamin’ny nanaovany antsika tahaka ny endriny, nomeny ny zavatra rehetra, fa noho ny feon’ilay menarana dia nanaiky ny tsy hankato an’Andriamanitra ny olombelona. Teo no nitranga ny fahafatesana. Matin’ny fahadisoana nataony ny olombelona tamin’ny fahasimban’ilay endrika nataon’Andriamanitra dia ny fahasimban’ny fifandraisana taminy.

Ny fahatsiarovantena:
Rehefa nahatsiaro ny fahoriany ity tovolahy, dia nahatsiaro ny fiadanana nisy teo amin’ny Rainy, ka nanapa-kevitra ny hiverina any aminy. Raha tsapantsika ny hatsaran’ny fiarahana amin’Andriamanitra dia tokony hanapa-kevitra ny hiverina Aminy isika!

Ny Famindrampon’Andriamanitra:
Rehefa hitan-dRainy ity zanany niverina hody ao aminy dia noraisin an-kafaliana ary dia nanaovany fety lehibe aza. Toa izany koa ny Fitiavan’Andriamanitra antsika raha miverina Aminy isika. Tonga indray ny fahavelomana avy amin’Andriamanitra na dia efa matin’ny fahadisoantsika aza isika. Rehefa nanalavitra an’Andriamanitra ary isika, dia andao hiverina Aminy indray fa Izy ihany no hanatanteraka ny fanasitranana antsika.

Ny Tompo hampahery anao!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :