Fampianarana Soratra Masina Ifandraisana (Cours Biblique par Correspondance)


Fanolorana Diplaoma ireo mpianatra nahavita ny Taona Faharoa

Ny fotoana fanolorana Diplaoma ireo mpianatra nahavita ny Fampianarana Soratra Masina Ifandraisana (FSMI) mandritra ny fanompoam pivavahana mandritra ny Alahady dia natao indrindra koa entina hanentanana sy hitarihana ireo kristiana hiroso amin’ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra. Maro ireo Fiangonana mpiara-miasa izay manasa ny Feon’ny Filazantsara (FF) hanantateraka izany araka ireo efa nentina ho antsika teo aloha. Koa ny alahady 13 Jolay 2014 lasa teo àry dia nisy ny fanolorana Diplaoma ireo mpianatra miisa 26 nahavita ny FSMI Taona Faharoa tao amin’ny FJKM Ambohimiadana Fanilo (SPAA 12). Marihina fa fanintelony izao fanolorana Diplaoma izao tao amin’ity Fiangonana ity ary ny tena mahafaly sy isaorana an’Andriamanitra dia mitombo isa hatrany ireo nahavita ny fianarana hatramin’ny farany. Atoa Randrianarison Raymond moa no mpiara-miasa an-tsitrapo « Volontaire » izay nanolon-tena am-pitiavana hiandraikitra ny fakana sy fananterana ireo Laza Adin’ny mpianatra eny amin’ny Foibe FF izay isaorana azy manokana rahateo. Ny Mpitandrina Hanitra Rivosoa Raharijaona sy ny solon-tenan’ny mpianatra ihany koa dia nanolotra fisaorana feno an’ny FF amin’ny anjara biriky nentiny ho an’ny Fiangonana ho fampandrosoana ny fiainam-panahin’ireo Kristina. Zava-dehibe ny ahafahan’ny tsirairay mitombo amin’ny finoana ny Tenin’Andriamanitra araka ny voalaza ao amin’ny Salamo 119:105 « Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny Teninao ».

DSC_0198 DSC_0238
FJKM Ambohimiadana Fanilo (SPAA 12) Ny Mpitandrina Hanitra Rivosoa Raharijaona nanolotra ny Sertifika
DSC_0244 DSC_0246
Ny Mpitandrina, misaotra ny FF sy mamporisika ireo Kristiana hiroso @ fianarana Tenin’Andriamanitra Solontenan’ny mpianatra, misaotra ny Mpitandrina sy ny FF
DSC_0214 DSC_0247
Fanolorana an’Atoa Raymond sy Felana ary Mamy « Volontaires » vaovao Ireo Antoko Mpihira sy ny Fiangonana
DSC_0255 DSC_0265
Ny Mpitandrina sy ireo notolorana Sertifika, ary ny « Volontaires » sy ny « Staff FF » Atoa Raymond sy ny « Staff FF »
Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :