IO FAHAZARANA IO:


“Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringanana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.” Matio 24:38-39

Raha ny heviny iray ny amin’izao teny izao dia tandindon’ny batisa kristiana ao amin’i Testamenta taloha ny safo-drano sy ny sambo-fiaran’i Noa. Rano nentin’Andriamanitra namonjena ny olony, nefa koa rano nentin’Andriamanitra nandringanana ny fahavalony. Ny rano dia mariky ny fanadiovan’Andriamanitra: Rano fanasan’ny fiterahana indray. Ny hevitra iray koa ny amin’ny safo-drano dia ny fihavian’i Jesosy Kristy indray amin’ny andro farany. I Noa dia lehilahy niara-nandeha tamin’Andriamanitra. Nihaino ny feon’Andriamanitra izy, ary nanaiky ny baikon’Andriamanitra. Nasain’Andriamanitra niomana hihatrika ny loza ho avy i Noa. Ny mahatahotra anefa dia ny ny olona hafa variana amin’ny fanao andavanandro: nihinana sy nisotro ny olona, nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina. Tsy ratsy ny mihinana sy ny misotro satria mihinana mba ho velona; fa ny ratsy anefa dia ny velona mba hihinana, izany hoe efa misy ny fanaranam-po ka variana tsy mahita ny loza ho avy. Tsy rasty koa ny fampakaram-bady na ny mamoaka ny ampakarina, fa sao dia variana ny amin’izany fotsiny ihany isika olombelona ka manadino ny fiambenana, ary ho tratran’ny Tompo eo amin’ny fahavarianana, tratra eo amin’ny andro fangatsiahana. Efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra koa aoka isika hibebaka araka ny filazan’i Jaona mpanao batisa azy. Mila mivonona mandrakariva hihaino sy hanaiky ny baiko omen’Andriamanitra!

Ny Tompo anie hampahery antsika!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: