“Henoy ny feony”


Fanitarana ny fandefasana fandaharana amin’ny radio.

Araka ny vinavina ao amin’ny fandaharan’asa amin’ity taom-piasana 2014-2015 ity dia kasaina halefa any amin’ny faritra hafa eto Madagasikara ny fandefasana amin’ny radio ny fandaharana “Henoy ny feony”. Vita soamantsara tamin’ny 15 jolay teo tany Toliara ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana amin’ny Radio Université FM 91.4 any an-toerana, teo amin’Atoa Daudet Delly RARIVOSON Talen’ny Ojam-peo sy ny Feon’ny Filazantsara. Toliara indray izany izao no tanàna faha-efatra andefasana ny fandaharana “Henoy ny feony” taorian’Antananarivo sy Antsirabe ary Toamasina. Isaky ny alarobia amin’ny 5 ora sy sasany hariva no andefasana izany ary ny Sabotsy amin’io ora io ihany ny famerenana. Manomboka ny 06 Aogositra 2014 no mandeha ny fandaharana voalohany. Marihana fa ny mpiara-miasa an-tsitrapo Rtoa Ursule Raheliarijaona no solontenan’ny Feon’ny Filazantsara sy tompon’andraikitra voalohany any an-toerana, manara-maso ny fandefasana ny fandaharana.

DSC_0015 DSC_0008
Radio Université FM 91.4 Atoa Daudet Delly RARIVOSON, Talen’ny Radio Université FM 91.4 sy Atoa Louis Program Manager FF nanao Sonia ny fiaraha-miasa
DSC_0060 DSC_0036
Rtoa Perline RAZANAKOTO Tale Lefitra sady mpanentana naka feo an’Atoa Louis Tananan’ny Toliara

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: