RAHA MIAIKY …



“Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra izay olona tsy isain’i Jehovah heloka.” Romana 4:7-8

Ny ota na ny heloka dia manambara ny fahadisoantsika eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra mpamorona antsika:
Raha ao anatin’ny fahotana isika dia mitoetra eo ambany fahatezeran’
Andriamanitra. Raha ny malaza dia ny hoe Andriamanitra dia fitiavana, fa raha ny hoe Andriamanitra mety tezitra dia tsy mahazatra loatra: Hay mety tezitra Andriamanitra, ary lazain’ny Soratra Masina fa mahatahotra ny ho azon’ny tanan’Andriamanitra velona. Ny fahotana na ny heloka dia tsy mitarika ho amin’ny fahatezeran’Andriamanitra ihany fa mitondra ho amin’ny fahafatesana mihintsy: fa fahafatesana no tambin’ny ota.
Manana ota isika:
Raha hoy isika, tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Mila famelan-keloka avy amin’Andriamanitra isika.
Mamela ny fahadisoantsika Andriamanitra raha…:
Famindram-po no sitrany fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary ny ahazoana ny famindram-po dia ny fiaikentsika ny helotsika Aminy. Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra. Tsy ny asa ataontsika, tsy ny fanadiovana ataontsika, tsy ny fahamarinantsika no ahazoantsika famelan-keloka fa ny famelan-keloka dia avy amin’Andriamanitra mihintsy. Miaiky isika, Izy kosa mamela! Mandoto ny fahotana! miharihary Aminy koa ny fahotantsika, na dia mazàna mitady hanafina izany aza isika. Tsy voaafintsika anefa ny fahotantsika.
Mbola Andriamanitra no mahavita manarona ny fahotantsika: Sambatra ny olona voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Inona moa no vokatry ny fanaronana? Rehefa voasarona dia tsy hita intsony. Raha Andriamanitra no manarona ny heloka, iza indray no afaka hanokatra izany ka maninana an’Andriamanitra? SAMBATRA izay voavela sy voasarona ny fahotany. Ny fanamarinantena dia avy amin’i Satana, ny tsy fiaikena heloka dia asan’ny devoly. Andeha isika hiaiky sy hitsotra ny fahotantsika, fa mahatoky sy marina Andriamanitra.

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: