MIVOAKA AVY AMIN’NY RATSY NY TSARA


REHEFA INONA NO AVY AMIN’NY RATSY NO HIHAVIAN’NY SOA?
“Hianareo nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa” (Gen. 50: 20)

Tamin’ny taona 1985, nanodina fiaramanidina ary nihazona ho takalon’aina ireo mpandeha nandritra ny 17 andro ireo mpampihorohoro, ary tao anatin’ny fepetra tena ratsy miampy ny fahatahorana ho faty mandrakariva. Rehefa novotsorana izy ireo dia nanaovana fizaham-pahasalamana. Nandritra izany no nahitana fa ny iray tamin’ireo takalon’aina ireo no fantatra fa olona mety ho tratry ny homa-miadana amin’ny hoditra izay hahafaty azy, izay tsy fantany akory ny fisian’izany taminy. Afaka notsaboina tsara anefa io aretina io noho izy hita mialoha.

Indraindray dia misy zava-tsoa ihany avy amin’ny zava-dratsy. Jereo kely ny tantaran’i Josefa. Tsy tian’ireo rahalahiny hiara-dia amin’izy ireo i Josefa ka dia namidiny ho andevo tany Egypta. Tonga tany Egypta i Josefa dia nakarina ho mpiraiminisitra avy tao amin’ny toeran’ny maha andevo azy. Taty aoriana, dia nolazainy tamin’ireo rahalahiny, tsy tamin-dolompo fa tamin’ny fankasitrahana feno an’Andriamanitra, hoe: “hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy fa Andriamanitra kosa no nisaina izany ho soa hanao tahaka ny amin’izao anio izao hamelona olona betsaka”. Azontsika an-tsaina fa eo ambany fahefan’Andriamanitra, dia mety avy amin’ny ratsy no hihavian’ny soa, ny ozona dia mitahiry fitahiana, ny raho-mainty dia manana tara-pahazavana. Noho izany tsy mitsara n’inon’inona alohan’ny fotoana isika fa miandry izay ho vokatra entiny. Azon’Andriamanitra hatao ny mahatonga ny ratsy ho soa, ny mamadika ny aretina ho fahasalamana, ny manodina ny fahavoazana ho tombotsoa. Voafehin’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Hoy i William Cullen Bryant tao amin’ny tonon-kalo nataony mitondra ny lohateny hoe “To a Waterfowl” (azo adika hoe: Ho an’Ilay Voron-drano iray) “Izy, izay mitondra anao mahatoky mamakivaky ny habakabaka tsy hita fetra hitety faritra, no hitantana ny diako ho mahitsy amin’ny lalan-davitra izay tsy maintsy hizorako irery”. Manana finoana an’Andriamanitra isika amin’ny fotoan-tsarotra satria izany no hahatsampantsika fa zavamisy ny famonjena antsika: nankahala an’i Jesosy ny fahavalo; nampangainy lainga sy nohelohiny Izy, ary novonoiny ho faty. Fantatsika fa ny tena tsara indrindra dia mivoaka avy amin’ny fotoana izay heverina ho ratsy indrindra. Araka izay nampanantenain’ny Raintsika any an-danitra, dia nitsangana tamin’ny maty Jesosy ary nanokatra ny lanitra ho antsika hidirantsika amin’ny fiainana mandrakizay.

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: