NY HATANORANA: tombon-dahiny


“Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao.” (1 Timoty 4:12).

‘Zatovo’ mira ‘fahasahiranana’: izany no fihevitry ny olona sasany. Kanefa hoy ny olona manam-pahendrena kokoa iray hoe, ”ireny no taranaka miantoka ny ho avy” (toy ny petra-bola any amin’ny banky). Tsy ho ela akory dia ho lasa olon-dehibe izy ireny, manamarina izay fandaniana maharitra (na ‘investissement’) rehetra natao taminy.

Timoty, ilay tanan-kavanan’i Paoly, dia taranaka mpivady samihafa finoana. Ny reniny, atao hoe Eunice, dia Kristiana, ary ny rainy dia Grika, tsy mbola niova ho Kristiana. Mety ho olana tamin’i Timoty zatovo izany, kanefa tsy nisy ny olana; ny tena antony dia satria ny reniny, izay nampian’ny renibeny Lois tamin’ny fitaizana azy, dia nameno izay tsy ampy rehetra teo amin’ny fiainany. Tsikaritry ny Apostoly ny “finoana tsy mihatsaravelatsihy” (1 Timoty 1:5) tao amin’i Eunice sy Lois, izay nampianatra an’i Timoty ny marina momba ny famonjena ao amin’ny Soratra Masina “hatry ny fony vao zaza” (2 Timoty 3:15). Nametra-panontaniana ny Mpanao Salamo manao hoe, “Inona no hiarovan’ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto?”. Ny valiny: “Ny fitandremana araka ny teninao.” (Salamo 119:9). Notandreman’i Timoty izany teny izany. Nino an’i Kristy ho Mpamonjiny izy, ka nahazo ny hery sy ny fahendrena hiaina mifanaraka amin’ny finoany. Mety ho nihevitra ny olona sasany fa tanora loatra i Timoty, raha atao hoe Pastora, ary noho izany, dia nandà ny handray am-po ny fananarany izy ireo. Paoly dia nampahery azy ho “mpanompo tsara an’i Kristy Jesosy” (1 Timoty 4:6), mampianatra ireto roroa ireto, dia ny Lalàna sy ny Filazantsara. Tokony tsy hisy avelany hampitahotra azy noho ny hatanoràny. Ny Tenin’Andriamanitra dia Tenin’Andriamanitra, na iza na iza mpampianatra mitondra ny fampianarana.

Aoka isika tsy hitsaratsara ny zatovo amin’izao andro ankehitriny izao, ary hahatsiaro fa misy tanora marobe toa an’i Timoty, manana finoana tsy mihatsaravelatsihy, mino an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny ary vonona hanolotra ny fiainany ho Azy. Aoka isika hanana fanajàna ny tanora toy izany (tsy hanao tsinontsinona azy), amin’ny fisaorana an’Andriamanitra noho ny fananantsika azy.

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: