FIRENENA NANTSOINA TAMIN’NY ANARANY!


« Notadiavin’izay tsy naniry Aho sy hitan’izay tsy nitady; hoy Izaho tamin’ny firenena izay tsy nantsoina tamin’ny anarako: inty Aho, inty Aho! Namelatra ny tànako mandritra ny andro Aho tamin’ny firenena miodina, izay mandeha amin’ny làlana tsy tsara araka ny fisainany ihany. » Isaia 65:1-2

Ny ambara eto amin’ity Isa. 65 eto ity dia Jehovah Andriamanitra nifidy firenena ho Azy. Ny mampalahelo an’Andriamanitra anefa dia izao: Namelatra ny tànany mandritra ny andro Izy handray izany firenena izany, fa nilaozany niodina. Ny ambara amin’ny hoe miodina dia hoe tsy miraharaha ilay tànan’Andriamanitra mitsotra mitady azy ilay firenena. Raha lazaina amin’ny teny tsotra dia firenena miavona ka mahatezitra an’Andriamanitra. Tsy mihevitra ny Fitiavana izay ezaka manokana avy amin’Andriamanitra hiantsoana ilay firenena io firenena io. Miavona ilay firenena. Andriamanitra mitady fihavanana, fa izy kosa miodina, tsy mijery akory ilay tànana mivelatra miantso azy. Inona no ataon’ilay firenena? Aleony mandeha araka ny fisainany ihany, izay ambara eto hoe làlana tsy tsara. Inona no vokatra? Tezitra Andriamanitra! Ary ilay tànana mivelatra dia tsy miantso intsony ilay firenena voafidy teo aloha fa lasa mivelatra amin’ny firenena hafa izay tsy nitady Azy akory, ka hoy Izy: Inty Aho, Inty Aho. Rehefa mafy hatoka ilay firenena voafidy dia mitodika any amin’ny firenena hafa Andriamanitra! Ny fiainana maha Kristiana antsika koa dia tahaka izany. Tia antsika Andriamanitra, efa niantso antsika Izy ho zanany, tiany ho eo am-pelatanany isika: Mamelatra ny tanany amintsika Izy, fa rehefa tsy mijery izany tanana mivelatra mitady antsika izany isika dia mitodika any amin’ny olona tsy kristiana akory, ka miantso an’ireny indray. Sao dia mba ao anatin’izany kristiana tsy mahita akory Ilay Tanan’Andriamanitra mivelatra izany isika? Fa maninona no mivelatra fa tsy mikombona: mampiseho ny fon’Andriamanitra tia antsika ka misokatra ho antsika fa tsy mikombona na mihidy! Tia antsika Izy! Fa sao dia miodina ary isika! Fa inona no mampihodina? Ny asan’ny devoly no mampiodina ny saintsika tsy hahita ny Fitiavan’Andriamanitra! Arentirentin’ny devoly eo anatrehantsika ny fakam-panahy maro samy hafa dia tsy hitantsika intsony ny tànana mivelatra mitady antsika. Andeha isika hifona amin’Andriamanitra ka hiverina Aminy indray ary hanatona ny tanany mivelatra te handray an-tànana ny fiainantsika. Aoka hiverina Aminy isika fa Izy no efa nanavotra antsika!

Ny Tompo Jesosy anie hampahery anao! Amen!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :