Fiaraha-miombon’antoka Fiangonana/Feon’ny Filazantsara (FF)


FAMPIOFANANA: Fampitaovana ny olona masina

Mivelatra amin’ny SP Andrefana sy ny SP Iarivo Avaradrano, eo amin’ny sahan’ny FJKM sy ny Fiangonana METM ankehitriny ny fananganana fiaraha-miombon’antoka (Fiangonana sy ny FF). Tanteraka soa aman-tsara ny 06,07 Novambra 2014 lasa teo, teny amin’ny FOFIKRI Ilafy mantsy ny Fampiofanana antsoina hoe « Fampitaovana ny olona masina » niarahana tamin’ireo Fiangonana mpiara-miasa dimy. Marihana fa fampiofanana voalohany ho an’ny taom-piasana 2014-2015’ny FF (manomboka volana Jona 2014- volana may 2015) moa izy ity. Mpiofana 34 no nandray anjara tamin’izany izay saika avy amin’ny Sampanasa AFF avokoa. Tonga nanotrona sy nandray anjara tamin’ny Fampiofanana: Rtoa Andrianalijaona Norosoa, Mpitandrina (FJKM Ambohijafy Fanantenana, SP Andrefana), Atoa Rajaonarison Rado Fanomezantsoa (FJKM Ampotany Famonjena, SP Iarivo Avaradrano), Atoa Raharijaona Hanitra Rivosoa (FJKM Ambohimiadana Fanilo, SPA Atsimo) ary Atoa Rakotomalala Jean Jacques (METM Hermona Finoana) sy Atoa Rakotonirina Velson (METM Nazareta Fitiavana). Ireo Fitandremana dimy ireo moa dia efa mpiara-miasa hatrizay amin’ny FF amin’ny alalan’ny sehatr’asa Fampianarana Soratra Masina Ifandraisana (Cours Biblique par Correspondance). Faly ary nankasitraka ny ezaka ataon’ny FF moa ny rehetra satria dia hanampy ary indrindra hampahomby hatrany ny asa Fitoriana iandraiketan’ny Fiangonana ny fampiofanana noraisina. Nanamafy indray ny “ENY” tamin’ny fiantsoana sy ny fanirahan’ny Tompo azy ny rehetra. Toy ny mahazatra tamin’ny famaranana ny fampiofanana dia nisy fanolorana “certificats” ho an’ireo mpiofana.

DSC_0228 DSC_0287
DSC_0456 DSC_0459
IMG_0721 DSC_0283
DSC_0204 DSC_0431
IMG_0706 IMG_0737
IMG_0772 IMG_0831
DSC_0357 DSC_0316
IMG_0788 DSC_0465
Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :