FAHASARO-PO, FAHAMORAM-PANAHY!


“Koa indro ny fahamoram-panahin’Andriamanitra sy ny fahasaro-pony amin’izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin’Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ny fahamoram-panahiny hianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa hianao.” Romana 11:22

Ny zava-nisy tany am-piandohana, dia niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra. Tena tsara ny fifandraisana teo amin’Andriamanitra sy ny olona noforoniny. Toy ny paradisa ny fiainan’ny olona tamin’izany, lasa fomba fanoharana ny teny hoe: saha Edena! Nahafaly an’Andriamanitra ny fifaneraserana nisy teo amin’Andriamanitra sy ny olony. Nisy rahona nanelingelina anefa izany serasera izany ary dia simba ilay fahasambarana niainana. Ny devoly naka ny endriky ny menarana no namitaka ny olombelona na nampirisika azy haninana an’Andriamanitra. Niseho ny fahasaro-pon’Andriamanitra ka tsy ilay fahasambarana be intsony fa tonga ilay hoe: Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina, tamindra-vehivavy: fahoriana no iterahanao zanaka; ary ny vadinao no hiantefan’ny fahorianao, ka izy no hanapaka anao. Andriamanitra anefa no nanao ezaka hanavao ny fifandraisana tamin’ny olombelona, ka nanao fitafiana hoditra ho azy hanakonany ny fitanjahany. Marika lehibe manambara ny fitiavan’Andriamanitra ny olona izay efa nisahiranany izany. Ny resahina eto amin’ity Romana 11 ity dia ny nanatsofohona ny sampana teo amin’ny fakany rehefa nesorina ny sampana teo aloha. Manambara ny fahasaro-pon’Andriamanitra amin’ny olona izay efa niray taminy, nefa tsy nino tsara, dia nosoloina sampana hafa izay nandray ny finoana dia izay jentilisa nandray Ilay Zanak’Andriamanitra ka natsangany ho zanany satria ny fandraisana ny Zanaka no manome izany hery izany. Tsy tokony hirehareha ny sampana izay natsofoka satria ny fakany no mitondra azy fa tsy ny sampana no mitondra ny fakany. Raha latsaka amin’ny tsy finoana indray ny jentilisa izay niova fo dia esorina koa izy. Ny olon’Andriamanitra, raha miverina, mino an’Andriamanitra indray dia raisina ihany izy. Izany no fahasaro-pon’Andriamanitra sy fahamoram-panahiny. Raha latsaka amin’ny tsy finoana isika dia andeha hifona amin’Andriamanitra, ka hiverina Aminy indray fa ho raisiny isika. Fotoana mety izao, andeha hiverina Aminy! Ny Tompo hampahery anao!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: