Voafonja vehivavy (Antanimora): Fifaninanana Rindran-kira ara-pilazantsara


Mihobia ho an’i Jesosy Kristy

Ireo vehivavy voafonja eny amin’ny Fonjaben’Antanimora no nahazo ny anjara fifaliana nentin’ny Feon’ny Filazantsara ho amin’izao ankatoky ny fankalazana ny krismasy izao; raha toa ka ny voafonja lehilahy no nahazo izany hatrizay. Fifaninanana rindran-kira ara-pilazantsara nampitondraina ny lohateny hoe: « MIHOBIA 2014 » no natolotra ho azy ireo, ka natomboka ny 04/11/14 ary nifarana ny 25/11/14 lasa teo izany. Nozarina ho « chorale » dimy (avy amin’ireo efi-trano dimy) izy ireo ka nahatratra 10 ny mpandray anjara mandrafitra ny ekipa iray. Fifaliana sy fiderana an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy no hita taratra tamin’ny seho rehetra, ary nasehon’izy ireo tamin’ny feo manga sy fihetsika mahafinaritra ary fitafiana kanto nisalorany izany. Marihina fa dia nisolo isaky ny fampisehoana ny fanamiana nanaovan’ny mpandray anjara. Tamin’ny famaranana dia notolorana loka avokoa ireo mpandray anjara rehetra, na dia ireo tsy tafakatra tamin’ny dingana famaranana aza. Hita taratra tokoa ny fifalian’ny rehetra satria tsy nisy ny diso anjara tamin’izay nomanina ho azy. Hoy izy ireo: tsy maniry taona maro hijanona eto intsony izahay fa raha sanatria ka mbola eto dia maniry ny hitohizan’ny hetsika toy izao hatrany.

« Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany »
(Lioka 2:14)

2014-11-04 10.41.53 2014-11-04 11.23.52
2014-11-11 10.32.54 2014-11-18 10.51.44
2014-11-18 11.10.06 2014-11-18 11.30.22
2014-11-04 11.07.05 2014-11-04 11.25.00
Dtoa Jeannot, Mr.Jaona Martin, Mme Lalaina, nitsara sy nandamina ny Lalao nandritra ny fotoana rehetra
Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :