TSY NATERAKY NY NOFO IHANY FA NATERAK’ANDRIAMANITRA!


“Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra.” Jaona 1:12-13

Teny iray azo avahana tsara eto ny teny hoe “nandray”ary azo raisina sary antsaina koa ny tanana mitsotra, manambara ny fanekena ny zavatra izay atolotra. Toa tsotra ihany izany raha heverina fa indraindray dia sarotra ny manatanteraka azy! Raha dinihina tokoa ny andinintsoratra masina eo alohan’izao dia ny hoe: “tonga tany amin’ny Azy Izy fa ny Azy tsy nandray Azy.” izany hoe olona tokony handray tsara izao nefa tsy nandray.

Inona anefa ilay zavatra atolotra?

Ny zavatra atolotra eto dia ny Teny, na koa ny Mazava. Ny fanambarana ery aloha dia milaza fa Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary Izy dia Andriamanitra (ny Teny dia Andriamanitra), ary ny Teny dia tonga nofo. Tonga teo amin’ny Jiosy izay firenena voafidy Izy fa ny Jiosy tsy nandray Azy (ny jiosy no nanombo Azy tamin’ny hazo fijaliana). Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra.

Iza no azo ateraka?

Tsy voalaza eto na zaza na olon-dehibe ihany no azo ateraka. Ny zaza ve afaka mandray ny Teny? Ny amin’ny maha-zaza ny zaza dia izay atolotra azy dia raisiny avokoa. Tsy manana saina afaka handà akory izy, marina fa nateraky ny nofo ka dia nofo, nefa izy manana ny toetra manaiky izay tsy ananan’ny lehibe! Koa raha omena ny teny izy dia manaiky. Izay atolotry ny ray aman-dreniny azy dia ekeny! Ny lehibe dia manana ny safidiny: afaka mandray ny avy amin’Andriamanitra nefa afaka mandray ny avy amin’i Satana koa! Izay mandray ny Teny no aterak’Andriamanitra! Ny mahagaga dia izay voalaza ao amin’ny Ezekiela 37 ny amin’ireo taolana marobe nomena ny Teny ary dia nanomboka nihetsika, ary nifanatona, ary naniry nofo, dia velona. Izany no herin’ny Teny tonga nofo! manangana ny maty efa taolana aza vitany, tsy afaka hiteraka antsika ho zanak’Andriamanitra koa ve izany Teny izany. Izaho sy ianao, efa maty noho ny ratsy efa vitantsika, moa va tsy afaka hanangana antsika amin’ny maty koa va ny Teny? Hoy ny teniny amintsika: miverena amiko fa efa nanavotra anao aho.

Ny Tompo Jesosy hampahery antsika!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: