IRETO IZAY MANDRE NY TENIN’ANDRIAMITRA KA MANKATO AZY!


“Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin’ Andriamanitra ka mankato azy.” Lioka 8:21

Ary ny renin’i Jesosy sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny vahoaka. Na dia naniry mafy ny ho eo amin’i Jesosy aza ny reniny sy ny rahalahiny dia tsy afaka satria nifanitsakitro ny vahoaka, izany hoe tsy misy mihitsy làlana ahazoana mankeo amin’i Jesosy. Eo amin’ny maha nofo antsika olombelona dia voafetra ihany ny zavatra azontsika atao, ary na dia maniry mafy ny hanao izany aza isika dia tsy afaka akory indraindray. Voafetra isika. Soa ihany anefa fa manome vaha olana ny Tompo! Ny fitodihana amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fankatoavana izany no toro-làlana omen’i Jesosy. Ny Soratra Masina rahateo dia manambara fa raha tsy manana firaisana Aminy isika dia tsy mahefa na inona na inona, dia Izy Ilay foto-boaloboka afaka manome ny sampana ny hery rehetra entina mamokatra. Koa na dia ny fifandraisana amin’ireny olona tiantsika ireny aza, raha tsy manana firaisana amin’i Jesosy isika dia tsy ho efantsika ny mitia ireny. Izany rahateo no dikan’ny Hazo Fijaliana. Jesosy mampiray ny olona amin’Andriamanitra, ary Jesosy mampiray ny olona samy olona. Ny tenin’Andriamanitra dia mora entina, satria azo raiketina ao am-po ary mety afaka manaraka antsika na aiza na aiza. Fa ny fankatoavana azy no sarotra tsy vitantsika raha tsy miray Aminy isika. Koa na dia efa vita batisa aza isika ka tsy manana firaisana Aminy dia tsy mahefa na inona na inona ary voalaza fa mety ho maina ary ho faty! Na inona na inona no toerana efa misy antsika eo amin’ny fiangonana ka tsy manana Firaisana Aminy isika dia ho faty ihany. Koa dia fikiro ary ny tenin’Andriamanitra, ataovy maro ny vavaka (in-telon-jato hoy dadatoa Rakotozandry izay) mba ho resy ny devoly. I Satana no mandrebireby ny zanak’Andriamanitra tsy hahatadidy ny Tenin’Andriamanitra sy hankato izany (mitsaingoka izany tenin’Andriamanitra izany). Andeha isika hifona amin’Andriamanitra noho ny nanekentsika ny feo hafa mitaona antsika tsy hahatadidy ny tenin’Andriamanitra ka niviliantsika tamin’ny làlan-kafa ary hiverina amin’Andriamanitra indray, ka hizotra amin’ny làlana vaovao!

Ny Tompo anie hampahery antsika! Amen.
Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@orange.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: