NY FANOMPOANTSIKA


“Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako dia ao koa no itoeran’ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.” Jaona 12:26

Amin’izao fetin’ny Sampan-drofia izao, dia izao teny izao no teny ho antsika. Fotoana hiatrehana Paska, izay nanoloran’ny Tompo ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana ary indrindra ny nitsanganany tamin’ny maty. Ny làlana nodiavin’i Jesosy dia ny làlan’ny fanetren-tena: Izy na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikirina mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona, ary nanaiky ny ho faty tamin’ny hazo fijaliana. Ny nanekeny izany làlana fisoronana izany no nanandratan’Andriamanitra Azy ho amin’ny toerana ambony indrindra. Ny fanompoana ho antsika kosa, dia ny fanarahana Azy, ny làlana izay nodiaviny, ary ny tsy hamikirantsika mafy izay rehetra heverintsika ho ambony, ka hofoanantsika ny manelanelana rehetra antsika amin’ny Tompo dia ny tsy fanomezantsika Azy ny fontsika rehetra, ka mety ho ny ampahany kely fotsiny ihany; hoy ny Teniny mantsy hoe: anaka, atolory Ahy ny fonao! Ka hanaiky ny hanafoanan’Andriamanitra ny filana rehetra tsy araka ny sitrapony, ka tsy isika intsony no velona fa Kristy no velona ao anatintsika. Nohombohona teo amin’ny hazo fijaliana miaraka amin’i Kristy ny fahotantsika rehetra, niara nalevina tamin’i Kristy ny fahotantsika rehetra, ka hiara hitsangana aminy kosa amin’ny andro fahatelo! Ny fanolorana ny aina dia i Kristy no nanolotra ny ainy, fa ny fitsanganana dia Andriamanitra no nanangana Azy tamin’ny maty. Koa raha manaiky ny hamonoana ny fahotantsika rehetra miaraka amin’i Kristy isika, dia Andriamanitra no hanatanteraka ny fananganana antsika amin’ny fahatesana, ka asany ny fanaovana antsika ho olombaovao.
Ny batisa dia manambara ny fahafatesana sy fanadiovana, ary avy eo dia ny fananganan’Andriamanitra antsika ho olombaovao. I Kristy irery no tsy nanana ota, fa na zaza (nandova ota, notorotoronina tamin’ny ota, Salamo faha 51: 5 na dia ny zaza aza) na olona lehibe dia mila an’izany fanavaozan’Andriamanitra izany avokoa. Io fananganana amin’ny maty io, na io fanavaozana io dia fankalazan’Andriamanitra ny Zanaka, ary voalaza eto koa hankalaza ny mpanompo manompo Azy koa Izy!

Ny Tompo Jesosy hampahery anao!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: