Fandaharana amin’ny fampielezam-peo: “Henoy ny feony”


8 Martsa, andron’ny vehivavy

Ho fanamarihana ny andron’ny vehivavy maneran-tany dia naompana tamin’ireo vehivavy manan-tantara vitsivitsy ao amin’ny Baiboly sy Mama Volahavana Germaine (Mpitarika ny Tobilehibe Ankaramalaza ) ny fandaharana nandritry ny volana Martsa 2015. Nitovy noho izany ny famelabelarana nalefa tamin’ireo onjam-peo enina mpiara-miasa amin’ny Feon’ny filazantsara (FF) dia ny: Radio Teny Fiainana: 91.2 FM sy ny ACEEM: 103.4 FM (Antananarivo), Radio ny Feon’ny Mpitily: 92.2 FM (Antsirabe), Radio Ny Antsika: 94.2 FM (Toamasina), Radio Université: 91.4 FM (Toliary), Radio Fahazavana: 88.6 FM (Mahajanga). Raiamandreny am-panahy efatra àry no nasaina nandray anjara tamin’izany, ka Rtoa Rinà Rasoanaivo, Mpitandrina FJKM Ambatotokana Fitiavana no namelabelatra ny momba an’i Rota sy Naomia; Mpiandry Jeanne Razafindravola, FLM Toby Ambohibao kosa no namelabelatra ny momba an’i Mama Volahavana Germaine sy ilay vehivavy kananita; ary, Rtoa Colette Randrianarivelo, Talen’ny Radio Protestanta Malagasy no namelabelatra ny momba an’i Debora sy Marta ary Maria. Teo ihany koa Rtoa Jeannette Baonizafimanana, Filoham-boninahitry ny Fikambanam-Behivavy Loterana, izay namelabelatra ny momba an’i Hana sy Maria renin’i Jesosy.

M-Jaona 2 Rtoa Colette M-Pasisy
Rtoa Jeannette Baonizafimanana, Filoham-boninahitry ny Fikambanam-Behivavy Loterana Rtoa Colette Randrianarivelo, Talen’ny Radio Protestanta Malagasy Mpiandry Jeanne Razafindravola, FLM Toby Ambohibao
DSC_0227 Rtoa Rinà Rasoanaivo, Mpitandrina FJKM Ambatotokana Fitiavana

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: