RAHA TSY NATSANGANA TAMIN’NY MATY KRISTY !


“Aza matahotra hianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ny hazo-fijaliana no tadiavinareo. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy.” Matio 28: 5-6

Vehivavy roa, i Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray nandeha vao mazava ratsy, ny andro vohalohany amin’ny herinandro ho any amin’ny fasana hitady an’i Jesosy izay nohomboana ary maty. Ny fasana nandevenana an’i Jesosy tamin’io fotoana io dia nisy mpiambina. Nisy horohorontany mafy, ary nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany andanitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. Raha tena atrehina maso amin’ny fotoana isehoan’izany toejavatra izany dia mampahatahotra tokoa, horohorontany mafy mialoha ilay anjelin’ny Tompo! Ny anjely koa dia voalaza fa nanjelatra, ary ny fitafiany tahaka ny orampanala! Ary dia voalaza fa ny mpiambina ny fasana dia nivadim-po noho ny fatahorana, ka tonga tahaka ny maty!!!
Inona kosa no nanjo ireto vehivavy roa?
Ny anjely niteny tamin’ireto vehivavy roa: aza matahotra hianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ny hazo-fijaliana no tadiavinareo. Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Ireto zavatra ireto no azo ambara:
– Ny fitadiavana an’i Jesosy dia mitondra fiarovana ho antsika: nitady an’i Jesosy ireto vehivavy roa ireto ary ny anjely dia nampahery azy! Hoy ilay anjely: aza matahotra!
– Ny tsy fitadiavana ny Tompo dia mitarika fivadiam-po: nivadim-po ity mpiambina noho ny tahotra ka tonga tahaka ny maty.
– Ny fitiavana ny Tompo dia mitarika ho amin’ny fanirahan’Andriamanitra ny olona. Omen’Andriamanitra fitokisana ny olona tia Azy! Raha tena tia an’Andriamanitra marina ny olona dia faly amin’izany fanirahana izany: dia niala faigana tamin’ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia NIHAZAKAZAKA hilaza tamin’ny mpianatra.
Tia ny Tompo ve isika? Fantatrao ve fa te hampahery anao Izy amin’ny zavatra rehetra mampahory ny fontsika? Maro ny zavatra mety mampihorohoro ary mampivadim-po, moa efa mba nihaino ny feon’ny Tompo mampahery antsika isika? Ny anjeliny miteny amitsika hoe: Aza matahotra, fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ny hazo-fijaliana no tadiavinareo! Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay nolazainy!

Ho aminao anie ny Tompo!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél :
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: