FA EFA NANIA…


“Fa efa nania toy ny ondry hianareo, nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin’ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.” I Petera 2:25

Ny lohahevitra lehibe resahina eto dia azo raisina ny amin’ny Mpiandry ondry sy ny ondry! Nania toy ny ondry! Ny faniavana dia anambaràna ny fialàna amin’ny toerana na làlana, na didy tokony arahina na itoerana. Ny ondry mania dia ny ondry tsy manaiky na miala amin’ny làlana tokony nizorana na toerana nitoerana. Ny mpiandry ondry tsara no mitarika ny ondry amin’ny toerana tsara na lalana tsara. Ny mpiandry tsara dia mahalala ny ondry tsirairay, ary raha vao misy marary na tsy mahahinan-kanina fotsiny aza dia efa fantany tokoa. Mahalala ny toerana misy ny ahitra maitso na tsaratsara koa ny mpiandry tsara ka hitondràny ny ondry izany toerana izany ary mifindra araka ny mahabetsaka ny hanina hohanin’ny ondry! Misy ny tany tsara misy ny ahimaitso nefa misy amboadia mihaodihaody manodidina izany toerana izany, koa raha ny ondry ihany no mandehandeha irery dia ho sodokan’ny ahitra tsara ka tsy hahita akory ny amboadia hiantsambotra aminy, dia ho faty ny ondry. Efa mandinindinika ny ondry tsirairay ny mpiandry tsara, ary mahalala ny toerana azo antoka hitondrana ny ondry, ary mahalala ny momba ny ondry tsirairay izy sy ny fomba hikarakarana azy ireo! Misy anefa ny ondry izay efa miavona, ka ny ahitra hitondran’ilay mpiandry tsara azy dia tsy tiany handramana akory fa lasa izany ondry izany mitady toeran-kafa sy ahitra hafa: izany no atao hoe ondry matavy, tsy miraharaha izay fikarakaràna ataon’ilay mpiandry azy akory fa miavona; toa izany koa ny ondry matanjaka, ka tsy miraharaha ny toerana hitarihan’ny mpiandry tsara azy fa na misy aza ny amboadia dia tsy misy hiraharahiany izany fa mihataka ny mpiandry tsara ka mihevitra ny tenany ho matanjaka haharesy ny amboadia dia misaraka amin’ilay mpiandry tsara. Ao amin’ny Ezekiela 34:11 Hoy Jehovah: Indro, Izaho, eny Izaho hiahy ny ondriko sy handinidinika azy, andininy 16 ny very ho tadiaviko, ny voaroaka hampodiako, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko, fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako. Ny ondry dia isika, ary ny mpiandry tsara dia Jehovah, koa isika izay mahalàla ny miantoraka amin’Andriamanitra dia hokarakarainy sy hositraniny, fa izay miavona efa matavy sy miavona efa matanjaka tsy mila Azy kosa dia haringany! Izao teny izao dia hanambaran’Andriamanitra amintsika fa mandinika antsika tsirairay avy Izy, koa handeha isika hifona hanetry tena fa tsy hiavona ka hanolotena hiverina Aminy!

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: