FAMINDRAM-PO.


« Tsara Jehovah amin’izay manantena Azy, dia amin’izay olona mitady Azy » Fitomaniana 3:25

Eo amin’ny fiainan’ny olombelona dia misy ny zava-tsarotra miseho indraindray, ary mety ho loza mitarika famoizam-po mihitsy aza izany. Ny olona miteny eto amin’ity bokin’ny Fitomaniana ity dia maneho ny zavatra nihatra taminy, fa nitarika zavatra hafa mihitsy teo amin’ny fiainany izany. Hoy izy, levona ny faretako sy fanantenako an’i Jehovah; Izany hoe efa nisy tao anatiny ny faharetana sy ny fanantenana an’i Jehovah, ary efa niainany mihitsy izany faharetana sy fanantenana an’i Jehovah izany, lazainy eto anefa fa levona izany. Isika olombelona dia mora miova, ary izay no maha olombelona. Ireny zavatra mihatra ireny dia misy fiantraikany eo amin’ny fomba fisainana sy ny fanantenana ao anatin’ny olombelona. Ity mpanompon’Andriamanitra eto ity dia manambara fa zava-mahafaty sy rano-mangidy no nihatra taminy! Niasa tamin’ny fanahiny izany zava-tsarotra izany ka ambarany hoe: tsaroan’ny fanahiko izany, ka mitanondrika ato anatiko izy. Na izany aza dia nanao fanekem-pinoana izy: izany no ho eritreretiko ato ampoko ka dia hanantena aho. Raha sendra zava-tsarotra isika dia tsara arahina ihany izao nataon’ity manompon’Andriamanitra ity izao: atao ihany ny fanekem-pinoana an’Andriamanitra. Ny famindram-pon’i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantràny. Vaovao isa-maraina izany; tena fanekem-pinoana izao atao eto izao. Tsy miodina any amin’ny zavatra hafa mihitsy izao fanekem-pinoana izao, fa tena mifantoka amin’i Jehovah. Izany fanekem-pinoana izany mitohy no ahitana izao teny mampahery izao! Tsara Jehovah amin’izay manantena Azy, dia amin’izay olona mitady Azy! Tena tsaroan’ity mpanompon’Andriamanitra ity mihitsy ny mahatsara izao fanekena ataony izao, ary dia tohizany hatrany izany fanaovana fanekem-pinoana izany!

Eo amin’ny fiainako, eo amin’ny fiainanao, tsy ilaozan’ny misy zavatra sarotra mihatra amintsika, andeha isika hanao toy ity mpanompon’ Andriamanitra ity ka hanao fanekem-pinoana an’i Jehovah Andriamanitra!
Ny Tompo Jesosy anie hampahery antsika.

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :