FJKM Kristy Fiainana, Bemasoandro Itaosy

Alahadin’ny Feon’ny Filazantsara (FF) sy ny Gideona Tsy mitsahatra ny mikendry izay hampandrosoana sy hampivelarana hatrany ny asa fitoriana amin’ireo mpiara-miasa aminy ny FJKM Kristy Fiainana, Bemasoandro Itaosy izay iandraiketan’Atoa Botofanjely Sammuël, Mpitandrina. Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa taorian’ny fivorian’ny Birao sy ny Filan-kevitry ny Fiangonana dia tapaka fa manomboka izao, ny Alahady voalohan’ny volana May […]