TANY KARANKAINA…TANY MISY ONIN’NY RANO VELONA:


“Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.” Jaona 7:38

Tena ilain’ny vatan’ny olombelona ny rano, ary mitarika ho amin’ny fahafatesana mihitsy ny tsy fahampian-drano amin’ny vatana. Ny Soratra Masina eto dia miresaka onin’ny rano velona, fa onin’ny rano velona miboiboika avy ao an-kibon’ny olona. Ny tenin’ny Tompo talohan’izao dia ny hoe raha misy olona mangetaheta dia aoka izy hanatona ny Tompo ka hisotro! Jesosy manambara ny tenany ho rano manala hetaheta. Hoy ny Tompo: Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika ao an-kibony. Araka ny Soratra Masina ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny dia avy amin’ny tenin’i Kristy. Ny voalazan’ny Soratra Masina no azontsika olona hanamarinana na mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny zavatra iray na tsia! Ny zavatra hita maso mantsy mety mamitaka, ary i Satana koa mahay manao fahagagana sy afaka mitafy hodi-janak’ondry ka mety ho voafitaka isika, ary tadidintsika ny nakan’ny devoly fanahy an’i Jesosy fa ny Tenin’Andriamanitra no nampisain’i Jesosy nandresena an’i Satana na dia Soratra Masina ihany koa aza no nampiasan’i Satana. Mila mahay ny Soratra Masina isika, ary resy lahatra ny amin’izany, ary izany no miteraka ny finoana an’Andriamanitra ato anatintsika. Ny fiasan’ny Tenin’Andriamanitra ao anatintsika no miteraka hetaheta, ary azo ambara amin’ny teny hafa hoe: voatsidrona ao am-po. Koa rehefa mangetaheta dia misotro ny rano velona mamelombelona, ary miteraka ny finoana ao anaty. Ny rano tety ivelany dia lasa rano miboiboika ao anaty, ary tsy rano tsotra fotsiny fa ony; izany no anambarana azy eto, onin’ny ranovelona. Ny ony dia tsy rano kely fa renirano, ampy hanalana ny hetaheta rehetra, ary tsy ho olona iray ihany no afaka hetaheta fa mety ho olona maro tokoa, izany hoe azon’ny olona hafa hosotroina koa. Rano avy amin’ny Tompo Jesosy, miteraka rano velona miboiboika ao anatin’ny olona izay misotro azy, ary azon’ny hafa sotroina koa avy eo. Ny ambara eo amin’ny andininy manaraka dia ny Fanahy izay efa horaisin’ny mino Azy izany onin’ny ranovelona miboiboika avy ao an-kibo izany. Ny Fanahy Masina oharina amin’ny rano velona, onin’ny rano velona miboiboika no ambara eto. Ny sofintsika mandre ny Soratra Masina, ary miditra ao am-pontsika miteraka ny asan’ny Fanahy Masina. Mitombo izany Teny izany. Toy ny loharano, onin’ny rano velona, mitombo ary tsy mety ritra. Efa mba nandray izany rano avy amin’i Kristy izany ve isika, efa manaiky ho tarihin’ny Fanahy ve isika, fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. Misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny zanak’Andriamanitra ny Tenin’Andriamanitra: raha tsy izany dia hoy Jesosy amintsika hoe: ianareo mamono Ahy satria ny Teniko tsy mitombo ao anatinareo. Aoka horaisintsika ary ny rano, dia ny teny, hiteraka ny Fanahy Masina ao anatintsika. Amen!

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: