Foibe LHM any Etazonia:


Namangy antsika ny Tale Jeneralin’ny Faritra Afrika sy Moyen Orient

Ny 01- 07 May 2015 lasa Teo dia tonga namangy ny Feon’ny Filazantsara (FF) eto Madagasikara Atoa Eric Gates Tale Jeneralin’ny Lutheran Hour Ministry (LHM) Faritra Afrika sy Moyen Orient. Marihina fa famangiana fanintelony izao nataony teto Madagasikara izao. Nandritra ity famangiana ity dia nisy dinidinika natao niaraka tamin’ireo mpiara-miasa teto amin’ny Foibe FF, izay mahakasika indrindra ny fizotry ny asa, ary fotoana ihany koa nizarany ny tatitry ny Fampiofanana nokarakarain’ny Foibe LHM maneran-tany tany Adis Abeba, ho an’ny Faritra Afrika ny 27-30 Aprily 2015, izay nanamafisana indray ny fikendrena, ny vina, ny tetikadin’ny LHM Foibe. Tamin’izany nonizarany ny traikefan’ireo firenena Afrikana sasantsasany novangiany. Amin’izao fotoana izao dia mahatratra 37 ireo firenena ivelaran’ny asan’ny LHM manerana izao tontolo izao. Nisy rahateo, fotoana nihaonany tamin’ny Tonian’ny FLM (Pastora Samoela Georges) nijerena indrindra ny mikasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny sahan’ny FLM. Satria moa feno 15 taona amin’ity taona ity ny FF koa dia nisy ny fiarahana nisakafo. Nisaotra ny ekipan’ny FF izay tarihin’Atoa Andrianasolo Jaona, Tale izy ny amin’ny asa Fitoriana sahanin’ny FF manerana ny nosy, indrindra, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ ireo Fiangonana mpiara-miasa sy ireo mpiara-miasa an-tsitrapo. Ny faniriana dia ny hitohizan’ny fiaraha-miasan’ny rehetra hatrany.

DSC_0178 DSC_0184
DSC_0202 DSC_0204
DSC_0218 DSC_0222

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: