NY HERIN’NY VAVAKA.


« Ary hiantso Ahy hianareo, ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra. » Jeremia 29:12-13

Jesosy, na dia Andriamanitra aza dia tena nahery nivavaka, izany hoe tena nahery niresaka tamin’ny Rainy. Raha adika amin’ny teny hafa koa dia Andriamanitra Zanaka mazoto miresaka amin’Andriamanitra Ray. Toa sarotra amintsika olombelona ny mieritreritra ny fifandraisana misy izany satria isika dia olombelona ihany. Mampianatra antsika hahery hivavaka kosa Jesosy Kristy satria Izy Andriamanitra aza tsy osaosa tamin’ny vavaka fa tena niaina izany. Amin’ny fiainana maha-olombelona dia maro ny zavatra mitranga ary misy ny tena sarotra amin’ireny toe-jevatra ireny, ary dia misy aza azo ambara ho loza. Mety mahavery hevitra sy mitarika amin’ny famoizam-po ireny loza na zava-tsarotra ireny. Amin’izany fotoan-tsarotra izany no maha-akaiky na maha-lavitra antsika amin’Andriamanitra. Lavitra antsika Andriamanitra raha mora mivadika isika ka tsy mahatoky Azy, ary tarihin’ny fanahy ratsy hihataka amin’Andriamanitra amin’ny fahakiviana na famoizam-po, ary misy aza no voatarika amin’ny famonoan-tena izay tena fahadisoan-dalana. Akaiky amintsika kosa Andriamanitra satria ny Teniny aza milaza hoe Mpamonjy mora azo amin’ny fahoriana Izy. Na isika hitodika Aminy ka hiverina Aminy, na isika hitodika amin’ny fanahy ratsy ka hiala amin’Andriamanitra. Misy hevi-dalina tsy takatry ny saina anefa ireny zava-tsarotra ireny, ary mety ho fitaizana antsika olombelona hiorina tsara amin’ny finoana an’Andriamanitra satria tena mahalala ny hevitra hiheverana antsika Izy! Rehefa manaiky sy miverina amin’Andriamanitra isika, na dia efa nandika ny didiny aza dia handray antsika tokoa Izy; fa ny fanamelohana na fiampangana hafa mampanalavitra antsika Aminy dia mitarika antsika ho amin’ny fahaverezana mandrakizay. Andeha isika hiantso Azy, Andeha isika hivavaka Aminy, fa mihaino antsika tokoa Izy raha mitady Azy sy mikatsaka Azy amin’ny fontsika rehetra isika.
– Miantso!
– Mivavaka!
– Mitady!
– Mikatsaka amin’ny fo rehetra!
Misy andraikitra tian’Andriamanitra raisintsika ihany dia ny mandà ny fanahy ratsy fa mifidy ny hiverina amin’Andriamanitra. Koa handeha hiantso, hivavaka, hitady, ary hikatsaka an’i Jehovah Mpamonjy, Tompo sy Andriamanitra.

Ny Tompo hampahery anao!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :