RANO MADIO, FAHALOTOANA, SAMPY, FANAHY MASINA.


“Dia hofafazako rano madio hianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. Ary omeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no ataoko ao anatinareo, ary esoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka omeko fo nofo hianareo.” Ezek 36:25-26

Andriamanitra manadio.

«Ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra». Andriamanitra manadio ny olona ho afaka amin’ny fahalotoana sy ny sampy; Ny atao hoe misy loto ny toerana iray na zavatra iray dia izy itakosonana zavatra tsy tokony ho eo amin’io zavatra io fa toeran-kafa no tokony hisy azy. Ohatra hoe lambafotsy itankosonan’ny fotaka, ka miavaka be izany fotaka izany. Isika olombelona koa dia olona nataon’Andriamanitra ary tokony ho zanany malalany, mankato Azy ary misaotra Azy mandrakariva noho ny zavatra isan’andro nefa maniratsira na manevateva, miteny ratsy ny Ray namorona antsika; dia Andriamanitra. Manao izay mampalahelo Azy, manimbazimba ny fanomezana omeny, ary mametraka ny fahotana dia ny fahalotoana ho tsy mampaninona akory. Zanaka tokony ho tia, mankato ny Ray nefa dia zanaka manota manimbazimba ny Ray izay niteraka, ka ny fahadiovana nosoloina fahalotoana. Andriamanitra Ray tia, mikolokolo, mikarakara, manasoa isan’andro, nefa soloina andriamanitra hafa, andriamanitra tsy mahefa sy tsy mahasoa akory fa ny manimba aza no atakalon’ny olombelona an’ilay Andriamanitra mpahary nanangana ho zanaka ny tsy zanaka. Izany zavatra ratsy izany no hanaovan’Andriamanitra tenany mihitsy fanadiovana, ho mariky ny fiatiavany, ary dia ampiasany ny rano fanadiovana. Ny teny ampiasaina moa eto dia ny hoe: Famafazana. Fa maninona no tsy miasa eto ny teny hoe kosehana amin’ny rano na ampandroina aza fa ny hoe ho fafazana? Mampiseho ny fahefan’Andriamanitra izany: ny famafazana dia mariky ny hoe tsy tena feno ilay rano ny fafazana fa mitsitentitentina. Mampiseho ny fahefan’ Andriamanitra izany, hainy ny manadio antsika na dia amin’ny rano mifafy fotsiny aza. Ny herika no mifafy, fa ny orana mirotsaka. Azo hanambarana ny Fanahy Masina io rano mifafy io, ka na dia fanesorana loto aza dia mivadika ho mitondra zava-tsoa koa tahaka ny tso-drano mitondra fitahiana. Ny fitahiana ambara eto dia ny fo vato manjary fo nofo, ary ambara hoe fo vaovao, ary indrindra fanahy vaovao! Mba maniry izany asan’Andriamanitra izany ve isika? Andeha isika hanetry tena ka hanaiky hofafazany izany rano madio izany! Izay rehetra manatona Ahy hoy Izy dia tsy mba holaviko mihitsy.

Ny Tompo Jesosy hampahery anao!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: