TSY AVY TAMIN’NY ASA!


“Dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika.” Titosy 3:5

Ny olombelona dia mila famonjena satria very: Nisy làlana nosoritan’Andriamanitra harahiny nefa niala tamin’izany izy ka toy ny ondry very, diso làlana. Izany no ambaran’ny Soratra Masina hoe: isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny fahafinaretana sy ny filana maro. Iza moa no mamitaka afa-tsy ny fahavalon’Andriamanitra dia i Satana? dia naseho tamin’ny endriky ny menarana. Koa rehefa voafitaka tahaka izany isika dia toy ny ondry very, na olona very, tsy afaka mifandray intsony amin’ilay Andriamanitra mpahary azy intsony. Ny filana, ny tsy fanekena sy fandavana an’Andriamanitra, ny fahafinaretana, maro ny zavatra mitarika ny olona hanalavitra an’Andriamanitra. Raha ambara amin’ny teny iray dia very isika, meloka eo anatrehan’Andriamanitra isika. Andriamanitra anefa no namindra fo ka nitady antsika izay very, ka tsy ny asa amin’ny fahamarinana nataontsika fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika. Koa rehefa voavonjy isika, dia izay vao manendry antsika mba handeha sy hamoha Izy, ary Izy ihany no mampaharitra ny vokatra. Koa mandidy antsika Izy mba tsy hifankahala na hanao lolompo na hifampialona fa hifankatia sy hifamela heloka satria samy olona novonjena. Koa raha adala isika, na voafitaka isika, na diso làlana isika, dia handeha hiverina amin’Andriamanitra fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.

Ny Tompo hampahery antsika!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: