NY FANARAHANA NY TOMPO.


“Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.” Matio 16:24

Ny Tompo miresaka amin’ny mpianatra. Tsy misy elanelana tokoa teo Aminy sy ireo mpianatra. Nisy ny fiantsoan’i Jesosy ny mpianatra tsirairay avy ho eo Aminy. Ny faneken’ireo mpianatra ho eo amin’ny Tompo dia noho ny fitiavany ny fanorotoroan’ny Tompo, sy ny fankasitrahany ny fampianarana avy Aminy. Na dia izany aza ny zava-misy, toa masiaka ihany izao tenin’i Jesosy izao: Raha misy olona ta hanaraka Ahy aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy. Mampitandrina ireto mpianatra Izy mba ho mahatoky ny Tompo rehefa nanapaka hevitra ny hanaraka Azy, fa misy zavatra tsy maintsy leferina ao, misy ny zava-tsarotra fa tsy ho mora mandrakariva. Koa toro làlana izao omen’ny Tompo izao. Raha ta hanaraka ny Tompo dia mandà ny tenany. Misy mantsy ny sitrapo maro mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ary misy aza zavatra marina nefa tsy sitrapon’Andriamanitra. Mety ho azo atao ihany ireny, saingy tsy mitondra fitahiana ho antsika. Hafa mihintsy ny sitrapon’Andriamanitra amintsika. Sarotra ny miteny hoe: Izy tsy maintsy mitombo, izaho tsy maintsy mihena. Ary izay no nanambaran’ny Tompo hoe: Hazo fijaliana, hazofijaliantsika. Satria isika no mitondra azy ary mikasika ny tenantsika mihitsy. Ny fandavana ny tena dia tena mihatra amin’ny tena tokoa. Marina fa miara-mitondra izany hazofijaliana izany amintsika Izy ary ny Soratra Masina manambara fa tsy mampitondra izay tsy zaka Izy. Fanantenana lehibe ho antsika izany! Ary Izy ihany no hanefa ny fiantsoana antsika. Koa aoka isika hahery amin’ny fanarahana Azy!

Ny Tompo anie hampahery antsika.

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: